Fiteny hindỳ

From Wikipedia, the free encyclopedia

Fiteny hindỳ

Ny fiteny hindỳ (amin' ny fiteny hindỳ: हिन्दी / hindī) dia tenim-pirenen' i India. Ny isan' ny olona mampiasa ny fiteny hindỳ dia misy 480 tapitrisa eo ho eo, 360 tapitrisa amin' ireo no manao ny fiteny hindỳ ho fitenin-dreny. Amin' ny lafiny ôfisialy dia nampiasaina ho lingua franca any India ny fiteny hindỳ, kanefa 40 isan-jaton' ny olona fotsiny no mampiasa io fiteny io any India. Any avaratr' i India no misy ny ankabeazan' ny mpiteny hindỳ. Fiteny voasokajy ao amin' ny ratsana arianin' ny fiteny indô-eorôpeanina io fiteny io, nipoitra avy amin' ny fiteny sanskrity sy prakrity, soratana amin' ny alalan' ny abogida devanagari.

Faits en bref Hindỳ, हिन्दी, हिंदी ...
Hindỳ
हिन्दी, हिंदी
Tenenina any India sy Pakistana. (Hindustani).
Total speakers tontaliny: ~ 490 tapitrisa (2008)
Ranking 3-4 [tenin-dreny]
Language family
  • Indo-Ariana
    • Indo-Ariana
      • Hindỳ
Writing system Devanagari, Kaithi, Latina, ary fanoratana ara-paritany maromaro
Official status
Official language in India
Regulated by Central Hindi Directorate (India),[1]
Language codes
ISO 639-1 hi
ISO 639-2 hin
ISO 639-3 hin
Distribution of native Hindi speakers in India
Indic script
Indic script
Ity pejy ity dia mety misy soratra Indika.
Fermer

Mitovy be amin' ny fiteny hindỳ ny fiteny ordò fa soratana amin' ny abidy arabo, amin' ny fiova persana. Be teny avy amin' ny fiteny persana sy avy amin' ny fiteny arabo ny fiteny ordò. Mifanakaiky be ny ava-peon' ireo fiteny ireo ary, talohan' ny fisarahan' i India sy i Pakistàna tamin' ny 1947, fiteny iray ihany ireo, ary Hindustani no anaran' ilay fiteny.

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.