Abogida
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny abogida na abugida, dia karazana fombam-panoratana ampiasaina mba hanoratra ny feon'ny fiteny iray. Izy io dia eo anelanelan'ny abidy manoratra ny vaninteny sy ny abidy manasaraka tsara ny zanapeo sy ny renifeo ho litera manokana ; ny litera ao amin'ny abogida dia renifeo iray mitambatra amin'ny zanapeo iray miaraka. Ny vaninteny hafa na ny fanalana ny zanapeo miaraka dia soratana amin'ny alàlan'ny fanampiana diakritika iray.
Teôria
Afaka aseho amin'ny alàlana abidy iray noforonina ny fomba fandehanan'ny abogida : omena grafema iray notsongaina avy amina abogida iray soratana hoe க.
Io grafema io raha avela amin'izao dia tononona hoe /k/ arahan'ny zanapeo miaraka aminy (/a/ izy eto). Raha te-hanoratra ny feo /ka/, dia க fotsiny no soratana. Raha te-hanoratra /ki/, dia mila ampiana diakritika iray grafema க ; dia manome க + ி.
Raha te-hanoratra hoe க irery, dia mila ampiana diakritika manondro ny tsi-fisiana zanapeo miaraka ( soratana amin'ny ்), manome க + ். Io soratra io dia lazaina hoe virama (avy amin'ny teny hindi) na mpanjavona.
Raha te-hanoratra ny zanapeo /i/ tsy misy renifeo, dia mila soratra hafa indray /i/ mizaka tena (soratana இ).
Raha averina :
Jereo koa
- ((en)) Omniglot, lisitry ny abogida]
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.