From Wikipedia, the free encyclopedia
I Pakistàna dia firenena any Azia Atsimo. Izany dia manaraka an' i India, Iràna, Afghanistàna, ary Sina. Amin' ny fomba ôfisialy dia antsoina hoe Repoblika Islamikan' i Pakistàna. Manana morontsiraka lavitra manamorona ny Ranomasin' i Arabia any atsimo. I Pakistàna dia manana ny isa-mponina fahaenina lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao. Ny velarantany manontolon' i Pakistàna dia 880 940 km² (miaraka amin' ny tany entin' i Pakistàna, i Azad Kashmir ary i Gilgit Baltistàna). Izany dia manao an' i Pakistàna ho firenena faha-34 lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao. I Islamabad no renivohitr' i Pakistàna, ary ny tafika pakistaney dia fahafito lehibe indrindra. Atao hoe Pakistaney na Pakistaný ny mponina ao Pakistàna.
اسلامی جمہوریۂ پاکستان Endrika:Ur | |||||
Islāmī Jumhūrīyah Pākistān ur | |||||
Islamic Republic of Pakistan en | |||||
Repoblika Islamikan' i Pakistàna ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Iman, Ittehad, Nazm (Finoana, Fivondronana, Fifehezana) | |||||
Teny ofisialy | fiteny ordoa fiteny anglisy | ||||
Renivohitra | Islamabad 33°43′N 73°04′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Karachi, Lahore | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha |
Repoblika Islamika Arif Alvi | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 36 796 095 km² Azo tsy raharahiana | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2014) - hakitroka |
faha 6 188 020 000[1] mpo. 236 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | pakistaney | ||||
IDH (2009) | mitombo 0,572[2] (antonony) faha-141 | ||||
Sandam-bola | Ropia pakistaney (PKR ) | ||||
Faritr'ora | UTC +5 | ||||
Hiram-pirenena | Qaumi Tarana | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+92 |
Ny anarana hoe Pakistàna amin' ny fiteny ordo sy fiteny persana dia midika "tanin' ny madio".
Ny mponin' i Pakistàna dia tokony ho 167 800 000 tamin’ ny taona 2008. Eo amin’ ny 1,9 % eo ny fitombon' ny mponina raha 3 % izany tamin' ny taona 1980. Mpifindra monina any ivelany, indrindra mankany amin’ ny Fanjakana Mitambatra (Angletera) sy Amerika Avaratra ary Arabia Saodita sy ireo firenena ao amin’ ny Hoala Persika, ny Pakistaney[3]. 2,3 % izany tamin' ny taona 2017. Miisa any amin' ny 207 000 000 ny mponina ao Pakistàna tamin' ny taona 2017[4].
Ny vahoaka pakistaney dia fitambarana foko maro, izay manana ny maha samihafa azy amin' ny lafiny kolontsaina sy ny fiteny. Efatra ny karazan' olona maro anisa indrindra mitambatra mamorona ny Pakistaney, dia ny Penjaby izay mahasahana ny antsasa-manilan' ny mponina; ao koa ny Pastona izay 15 %n' ny mponina; ao koa ny Sindy izay 15 %n' ny mponina; ary ny Balotsy 5 %n' ny mponina[3].
Fivavahana
Raha amin' ny lafiny fivavahana kosa indray dia Miozolmana ny 97 %n' ny mponina (75 % araka an' i Christophe Jaffrelot[5]) ka ny 80 % amin’ izany Sonita fa ny 20 % kosa Siita. Misy ny fifanadrinana eo amin’ ny Siita sy ny Sonita ka nahafaty olona 4 000 izany tamin’ ny taona 2007[6].
Vitsy an’ isa kosa ny Hindoista (na Hindoa) (1,2%[7] hatramin' ny 2 % [8]) izay iharan’ ny herisetra. Vitsy an’ isa koa ny ny Kristiana izay iharan’ ny fanenjehana; ao koa ny Sika (miisa 300 000) sy ny Parsy (Zôrôastriana) (miisa 20 000) ary ny Bodista[3] (miisa 10 000).
Fiteny manodidina ny 80 no tenenin’ ny olona ao ka ny ankamaroany dia fiteny indô-iraniana. Ny be mpiteny amin’ ireo dia ny fiteny penjaby (48 %); avy eo ny fiteny pastô (15 %), ny fiteny sindy (14 %) ary ny fiteny balotsy (3 %) ary ny fiteny seraiky. Ny fiteny anglisy sy ny fiteny sindy no fiteny ôfisialy. Fiteny ôfisialy ny fiteny ordo (7 - 8 %)[3]. Ny fiteny balotsy, hazaragy ary kasmiry no fitenim-paritra vitsy mpampiasa kokoa.
Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.