Fitsanganan-ko velona (kristianisma)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fitsanganan-ko velona na fitsanganana amin' ny maty dia ny fiverenan' ny efa maty ho amin' ny fiainana indray. Iray amin' ny finoana lehiben' ny Kristiana ny fitsanganan-ko velona. Ny fitsanganan' ny maty ho velona dia midika fa haharitra any amin' ny tontolo hafa ny fiainana ka mifandray amin' ny fitsarana farany hataon' Andriamanitra amin' ny olona rehetra izany. Ny olona nanao ny tsara araka ny didin' Andriamanitra fahavelony sy voavela heloka dia hitsangana ho amin' ny fiainana ao amin' ny Fanjakan' Andriamanitra izay torin' ny irak' Andriamanitra, indrindra ny Mesia. Ny olona nanao ny ratsy sy tsy nibebaka dia halefa any amin' ny gehena na ny helo. Roa ihany ny olona fantatra, araka ny Baiboly, fa nanangana olona tamin' ny maty, dia i Elia mpaminany sy i Jesoa (na Jesosy).