From Wikipedia, the free encyclopedia
I Betania dia tanàna ao amin' ny Governoratan' i Jerosalema any Palestina, manamorona an' i Jerosalema Atsinanana, ao Jordania Andrefana. Atao hoe Βηθανία / Bêtania izy amin' ny teny grika fa ܒܝܬ ܥܢܝܐ / Bēṯ ʿAnyā kosa amin' ny teny siriaka. Atao hoe العيزرية / Al-Eizariya na al-Aizariya izay midika hoe "[toerana] an' i Lazarôsy" izy amin' ny teny arabo. Ny anarana hoe al-Eizariya dia ilazana ilay olo-malaza ao amin' ny Testamenta Vaovao atao hoe Lazarôsy na Lazara avy any Betania, izay araka ny Filazantsaran' i Joany, dia natsangan' i Jesoa tamin' ny maty tao amin' io tanàna io. Toerana fanaovana fivahiniana masina ilay toerana nisy ny fahagagana, dia ny Fasan’ i Lazarôsy ao amin' ilay tanàna. Eo amin’ ny ilany atsimo-atsinanan’ ny Tendrombohitra Ôliva no misy an’ ilay tanàna, 3,2 km latsaka avy eo Jerosalema. Misy mponina 22 928 ny ao amin' io tanàna io araka ny Birao Foiben' ny Antontanisa Palestiniana, io no tanàna faharoa lehibe indrindra ao amin' ny Governôratan' i Quds ao amin' ny Fanjakan' i Palestina, aorian' i Jerosalema Atsinanana, izay bodoin' ny Israeliana.
Voarakitra ao amin’ ny Testamenta Vaovao ny anaran' i Betania izay voalaza fa tanàna kely iray any Jodea (na Jodia), fonenan’ ny iray tampo amin’ i Maria avy any Betania sy i Marta ary i Lazarôsy (na Lazara), ary koa ny an’ i Simôna boka. Voalaza fa nipetraka tao i Jesoa taorian’ ny nidirany tao Jerosalema. Misy ifandraisany amin' ny tranga dimy ilay vohitra, izay isehoan' ny teny hoe Betania in-11:
Ao amin’ ny Lioka 10:38-42 dia resahina ny fitsidihan’ i Jesoa ny tranon’ i Maria sy i Marta, saingy tsy voatonona anarana ny tanànan’ i Betania (tsy voaresaka koa fa hoe teo amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema i Jesoa).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.