From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fivahiniana masina dia fandehanana lavitra izay tanterahin' ny mpino mankany amin' ny toerana na tanàna masina, matetika mankany amin' ny toerana tsy fantatra na any ivelan' ny firenena misy azy, ho mariky ny fitiavam-bavaka; mety hitarika ho amin' ny fiovan' ny tena manokana izany. Manao fivahiniana masina ny mpino ao amin' ny fivavahana abrahamika (indrindra ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo) sy ny fivavahana hafa toy ny ao amin' ny hindoisma
Ny vahoaka hebreo koa dia nanao fivahiniana masina mankany Silô sy any Dana (ao Israely ankehitriny) sy any Betela (any Jordania ankehitriny).
Ny mpino silamo dia manao fivahiniana masina any Maka any Arabia Saodita ka zavatra tsy maintsy atao indraimandeha amin' ny androm-piainana izany raha misy ny hoenti-manana. Misy koa ny fivahiniana masina ataon' ny mpino silamo mankany amin' ireo fasan' ny olo-masina.
Ny fivahiniana masina nataon' ny Kristiana voalohany dia mankany amin' ny toerana niaretan' i Jesoa Kristy ny fijaliany.
Maro ireo fivavahana mamporisika ny fanaovana fivahiniana masina ka isan' izany ny fivavahan' ny Egiptiana tamin' ny Andro Taloha, ny fivavahan' ny Persiana tamin' ny vanimpotoana nivavahana tamin' i Mitra. Ny Grika sy ny Rômana dia nanam-pahazarana mijery mpaminany ka nandeha nanontany ny mpaminany tany Delfa any Grisia, ohatra.
Ny Hindoa koa dia manao fivahiniana masina mankany Benares (na Varanas).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.