From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Tendrombohitra Ôliva na Tendrombohitra Analanôliva dia havoana eo atsinanan' i Jerosalema izay mahatratra 823 m ka ny manasaraka azy amin' i Jerosalema dia ny lohasahan' i Kidrôna. Avy amin' ny fisian' ny voly ôliva ao amin' ny ilany andrefana ao Getsemane izany anarany izany. Toerana manana ny lanjany eo amin' ny fivavahana jiosy sy kristiana ary silamo io tendrombohitra io.
Toeram-pandevenana hatry ny ela ny Tendrombohitra Ôliva satria ny Jebosita dia nandevim-paty tao tamin' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Nanohy izany koa ny mponin' i Jodà ka manao lavabato hatao fandevanana[1]. Amin' izao fotoana izao dia maro ireo trano fiangonana miorina eo amin' ny Tendrombohitra Ôliva.
Tamin' ny andron' i Davida dia toeram-panaovana sorona io tendrombohitra io. Mbola mijanona ho toeram-pandevenana izy mandraka ankehitriny ho an' ny Israelita[1]. Toeram-pandevanana jiosy lehibe indrindra eran' izao tontolo izao ny Tendrombohitra Ôliva. Resahina ao amin' ny Testamenta Taloha ny Tendrombohitra Ôliva raha naminany ny amin' ny fitsanganan-ko velona sy ny Fitsarana farany ny mpaminany Zakaria (Zak. 14.1-4). Araka ny lovantsofina jiosy dia handalo eo amin' ny Tendrombohitra Ôliva ny Mesia izay hahatonga ny fitsanganan' ny maty ho velona alohan' ny hidirany ao Jerosalema (Zak. 14.4). Ireo olona milevina ao no hitsangana voalohany. Izany faminaniana izany dia resahin' i Flavio Jôsefa ao amin' ny Antiquitates Judaicae.
Voaresaka matetika izy ao amin' ny Testamenta Vaovao, indrindra ao amin' ny Filazantsara efatra sy ao amin' ny Asan' ny Apôstôly, amin' ny fitantarana ny fahorian' i Jesoa taorian' ny namadihan' i Jodasy azy. Toerana anaovan' i Jesoa toriteny matetika ny Tendrombohitra Ôliva araka ny Testamenta Vaovao. Ny Filazantsaran' i Lioka sy ny an' i Marka ary ny Asan' ny Apôstôly (Asa. 1.9-12) dia milaza fa tao amin' ny Tendrombohitra Ôliva no niakaran' i Jesoa tany an-danitra. Ahitana fanorenana kristiana maro koa ao amin' izao fotoana izao: bazilika, trano fiangonana, mônastera sns.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.