From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Evanjelin' i Barnabà na Evanjelin' i Barnabe na Filazantsaran' i Barnabasy dia asasoratra mitantara ny fiainan' i Jesoa nosoratan' olon-tokana na maro tsy fantatra anarana, izay tokony ho Mozilmana, ka mety avy tamin' ny loharanon-tsoratra tranainy kokoa nataon' ny Jiosy kristiana. Anisan' ny asasoratra pseodepigrafa ity evanjely ity, izay voalaza fa nosoratan' i Barnabasy mpianatr' i Jesoa[1]. Mety nosoratana tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Antenatenany, tamin' ny daty ao amin' ny taonjato faha-13 hatramin' ny faha-15[2] na tamin' ny faran' ny taonjato faha-16 ny lahatsoratra amin' ny teny italiana sy espaniôla. Amin' ny lafiny maro, indrindra momba ny firesahana ny amin' ny fiavian' i Mohamady (mpaminanin' ny silamo), dia mifanaraka amin' ny fiheveran' ny Mozilmana ny Testamenta Vaovao na ny Filazantsara io boky io[3].
Ity filazantsara ity amin' ny ankapobeny dia heverin' ny mpikaroka ho toy ny "fisolokiana masina" na "fisolokiana ara-pivavahana", natao taty aoriana elabe sy misandoka anarana, noho ny tsy fahadisoana ara-potona, ara-jeôgrafia, ara-tantara ary ara-piteny raketiny. Tsy mihevitra io boky io ho ambony lanja na latsa-danja noho ny evanjely kanônika kristiana ny Mozilmana, ary ny fikambanana silamo sasany dia mampiasa an' ilay boky mba hanohanan' izy ireo ny fiheverana silamo an' i Jesoa[4], ka io no ataon' izy ireo fa mirakitra ny marina momba ny fanomboana an' i Jesoa[5].
Ity boky apôkrifa ity dia naka ny vontoatiny avy amin' ny finoana silamo:
Ankoatra izany dia manambara io evanjely io fa tsy tratran' ny fanomboana amin' ny hazo fijaliana i Jesoa, satria nakarin' Andriamanitra any am-Paradisa, fa i Jodasy, izay lasa nitovy endrika aminy, no nohomboana (dôketisma). Ireo finoana ireo, indrindra ny fandavana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa sy ny fandavana ny fanomboana azy, dia mifanaraka amin' ny fampianaran' ny Mozilmana.
Misy singa maro, izay angamba avy amin' ny loharano jodeô-kristiana ao amin' io evanjely io, izay nampiasain' ilay mpanoratra mozilmana. Ity boky ity, hoy ny mpandinika maro, dia ezaka fampiraisana singa avy amin' ny kristianisma sy ny silamo, azo ampitahaina amin' ny tahirin-kevitra maro nosoratan' ny Mozilmana tao Afrika Avaratra sy tao amin' ny Saikanosy Iberika izay nanohitra ny Trinite tamin' ny taonjato faha-16 sy faha-17.
Maro ny mpandinika nahita tsy firindrana ara-potoana sy fahadisoana ara-jeôgrafia ao amin' ny Evanjelin' i Barnabà[6].
Misy toko 222 sy teny 75 000 eo ho eo ny Filazantsaran' i Barnabasy, izay mitovy habe amin' ny fitambaran' ny filazantsara kanônika efatra (Matio, Marka, Lioka, ary Joany)[7][8]. Ny lohateniny tany am-boalohany, izay hita eo amin' ny fonon' ny sora-tanana italiana, dia Ny Filazantsaran' i Jesoa Marina, Atsoina hoe Kristy, Mpaminany Vaovao Nirahin' Andrialanitra ho Amin' Izao Tontolo Izao: Araka ny Filazalazan' i Barnabasy Apôstôliny[7][9]; izany dia manarakaraka ny fanakianan' ny mpanoratra, izay milaza ny tenany fa i Barnabasy ao amin' ny Baiboly, fanakianana "ireo rehetra monina ambonin' ny tany maniry fiadanana sy fiononana" (anisan' izany i Paoly apôstôly) izay "voafitak' i Satana mba hitory 'fampianarana ratsy indrindra' tamin' ny 'fiantsoana an' i Jesoa ho zanak' Andriamanitra, ny fandavana ny famorana [...] ary ny fanomezana alalana ny hena tsy madio rehetra'.[7]"
Ity asasoratra apôkrifa ity dia toa fandrindrana filazantsara, miompana amin' ny asa fanompoana sy ny fijalian' i Jesoa[7]. Manomboka amin' ny singa itambaran' i Matio sy i Lioka ilay evanjely apôkrifa, anisan' izany ny fanambaràna ny hahaterahan' i Jesoa nataon' ny arkanjely Gabriela tamin' i Maria, ny fitsaohana nataon' ny Magy, ny fandringanana ny zaza tsy manan-tsiny, ny famorana an' i Jesoa, ary ny fahitana azy tao amin' ny Tempoly[7]. Avy eo ilay lahatsoratra dia mitsambikina any amin' i Jesoa izay nandeha teny amin' ny Tendrombohitra Ôliva niaraka tamin' ny reniny hanangona voan' ôliva; rehefa nivavavaka teo izy dia nandray ny filazantsara na evanjely avy amin' ny anjely Gabriela. Taorian' izany fanambaràna izany dia nilaza tamin' ny reniny izy fa tsy hiara-mipetraka aminy intsony. Taty aoriana i Jesoa dia nandeha tany Jerosalema ka nanomboka nitoriteny tany. Nanendry apôstôly roa ambin' ny folo izy mba hiara-dia aminy mandritra ny asa fanompoany; ity evanjely ity dia tsy manonona afa-tsy folo, anisan' izany i Barnabasy[10][11]. Ity filazantsara apôkrifa ity dia manaraka ny fampianarana lazaina fa nataon' i Jesoa momba ny niandohan' ny famorana, ny fanamelohana ny tsy mifora, ary ny fiainan' i Abrahama (anisan' izany ny fandravana ny sarin-tsampy sy ny fanaovana sorona ny zananilahy Ismaela)[12].
Ny toko faha-39 dia mirakitra ny voalohany amin' ny fanononan' i Jesoa miisa sivy an' i Mohamady amin' ny anarany. Ny Filazantsaran' i Barnabasy dia mitantara ny fiovan-tarehin' i Jesoa sy ny fanambàrany mialoha ny mpaminany, Mohamady, izay ho avy ao aoriany. Taorian' ny fanoharana sy fampianarana maro nataony dia nilazalaza ny fijaliany izy, nanomboka amin' ny fifanandrinana tamin' ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo momba ilay vehivavy azo nijangajanga. Nilazan' i Gabriela i Maria ny amin' ny fanomboana ny zanany sy ny fiarovan' io anjely io amin' izany; ny mpisoronabe, Herôda Antipasy, sy Pontio Pilato dia niresaka ny amin' izay tokony hatao momba an' i Jesoa. Niafina tao amin' ny tranon' i Nikôdemôsy i Jesoa sy ny mpianany, trano izay nanaovan' izy ireo ny Fanasana Farany. I Jodasy Iskariôta namadika azy tamin' ny sekely volafotsy telopolo; nandidy an' i Gabriela, i Mikaela, i Rafaela, ary i Oriela Andriamanitra avy eo mba hamonjy an' i Jesoa amin' ny fitondrana azy "mivoaka eo amin' ny varavarankely izay mitodika mianatsimo" ho any amin' ny lanitra fahatelo.
I Jodasy, izay niova tarehy sy fitenenana ho sahala amin' ny an' i Jesoa, dia niverina tao an-trano raha mbola natory ny mpianatra hafa. Gaga izy raha nahita azy ireo nihevitra azy ho i Jesoa ary nosamborina izy. Nampanomboin' i Pilato izy, ary napetraka tao amin' ny fasan' i Jôsefa avy any Arimatea ny fatiny. Nivavaka i Jesoa mba hahafahany hahita ny reniny sy ny mpianany ary hilaza amin' izy ireo izay zava-nisy marina. Nitodika tany amin' i Barnabasy izy, izay nampiandraiketiny ny fanoratana ny zava-nitranga. Mifarana amin' ny fielezan' ny mpianatra sy ny fanakianana hafa an' i Paoly ilay filazantsara.
Boky apôkrifa lazaina fa nosoratan' i Barnabà:
Evanjely apôkrifa lazaina fa nosoratan' ny Apostôly:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.