Satana

From Wikipedia, the free encyclopedia

Satana

I Satana na ny satana dia zavamananaina ara-panahy tany an-danitra izay resahina ao amin' ny fivavahana abrahamika (indrindra ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny finoana silamo) sady voalaza fa nanohitra ny sitrapon' Andriamanitra ka nitarika fanahy maro hafa koa hanaraka azy mba haka fanahy ny olombelona ka hitarika azy amin' ny ratsy sy hanimba izao tontolo izao. Fantatra amin' ny anarana hoe Devoly koa izy misolo tena Apôkalipsin' i Joany fetin' ny Krismasy ankehitriny Saint Nicholas izay Santa Claus amin' ny teny anglisy.

Thumb
Sarin' i Satana nataon' i Gustave Doré ao amin' ny boky Le Paradis perdu ("Paradisa very") nosoratan' i John Milton.

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe שָׂטָן / śāṭān izy, fa amin' ny teny grika kosa dia Σατανᾶς / satanâs, amin' ny teny arameana dia ܣܛܢܐ / sāṭānā’, ary amin' ny teny arabo dia ﺷﻴﻄﺎﻥ / šayṭān.

Ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma

Araka ny boky kanônika

Ny anarana hoe "satana" dia avy amin' ny teny hebreo hoe ha-satana izay midika hoe "fahavalo" na "mpifanandrina".

Anarana iombonana

Ao amin' ny Testamenta Taloha dia ampiasaina ho anarana iombonana io anarana io tamin' ny voalohany, izay ilazana ny mpitsikilo mirenireny nampiasain' Andriamanitra, araka ny hita ao amin' ny Bokin' i Jôba (Jôba 1.6-7)[1]. Rehefa mandehandeha ety an-tany ny Satana dia manangom-baovao momba ny olombelona hiampangany azy eo anatrehan' Andriamanitra, araka ny Bokin' i Zakaria (Zak. 3.1)[2]. Misedra ny finoan' ny olona an' Andriamanitra koa izy, araka ny hita ao amin' ny Bokin' i Jôba ihany (Jôba 1.8-12)[3]. Tsy mbola aseho ho ilay fanahy fara tampon' ny faharatsiana hatreto ny Satana fa fanahy manatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra sahala amin' ny anjely hafa rehetra ka tsy nanana fanapahan-kevitra manokana.

Anaran-tsamirery

Taty aoriana vao lasa anaran-tsamirery ny hoe Satana, araka ny hita ao amin' ny Boky voalohan' ny Tantara (1Tant. 21.1)[4]. Ny lovantsofina jiosy taty aoriana sy ny lovantsofina kristiana tamin' ny voalohany dia nihevitra an' i Satana ho fahavalo mpifanandrina, ka tsy amin' ny olombelona ihany izany, fa amin' Andriamanitra koa indrindraindrindra. Izy no noheverina ho fototry ny ratsy rehetra ka lasa lohan' ny demony rehetra. Maro ny fanahy ratsy nampitovîna amin' i Satana, toy ny Menarana na Bibilava ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (na Jenezy) na ny Dragona ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy (Apô. 20.2).

Ao amin' ny boky apôkrifa

Ao amin' ny boky apôkrifa, izay voasoratra teo anelanelan' ny fotoana nanoratana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, sy ao amin' ny Talmoda (an' ny jodaisma) ary ao amin' ny asa soratry ny raby taty aoriana dia ahitana koa an' i Samaela izay ampitovizina amin' ny anjelin' ny fahafatesana. Ao amin' ny asa soratry ny raby dia i Samaela no lasa Ilay Menarana mpaka fanahy izay nahatonga ny fahalavoan' i Adama sy i Eva. Voalaza koa ho andrian' ny demony izy. Noho ireo rehetra ireo dia tsy inona ny hoe Samaela fa anaran' ilay Satana mpiampanga ao amin' ny Testamenta Taloha ihany.

Ao amin' ny finoana silamo

Ao amin' ny Kor'any

Ao amin' ny Kor'any dia tsy anjely fa jiny i Satana (arabo: شيطان‎/ Sheitan na Shaitan). Atao hoe Iblisy (arabo: إبليس / Iblis) koa ny anarany. Araka ny Kor'any, taorian' ny namoronan' Andriamanitra an' i Adama dia tsy nety niankohoka teo anatrehan' i Adama i Satana raha nandidy azy hanao izany Andriamanitra (Kor'any 2.34). Voaroaka avy tao an-danitra noho izany izy ka niteny tamin' Andriamanitra fa hampiala ny olombelona amin' ny finoana an' Andriamanitra.

Misy anarana arabo amin' ny endrika milaza maro amin' ny anarana hoe Shaytan dia ny hoe الشياطين / Shayṭîn izay manondro karazana zavamananaina mpaka fanahy, dia ny demony sy ny olona sasany ampiasain' ny demony (Kor'any 6.112) ka eo ambany fahefan' i Iblisy.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.