From Wikipedia, the free encyclopedia
I Barnabasy na Barnabe na Barnabà dia Jiosy na Jody, Levita nonina tany Kipra na Sipra (Asan' ny Apôstôly 4.36), izay nanana ny anjara toerany lehibe ao amin' ny Asan' ny Apôstôly, amin' ny nitondrany an' i Paoly tao amin' ireo Apôstôly tao Jerosalema (Asa 9.27) ary taty aoriana nitondrany an' i Paoly tao amin' ireo Kristiana tany Antiôkia (na Antiôka), ary izy no mpiara-dia voalohany tamin' i Paoly nandritra ny diany ka nanaovana azy ho mpitarika ny asa famitana iraka. I Josefa no tena anarany ka izany no iantsoana azy hoe Josefa Barnabasy na Josefa Barnabe. Tsy isan' ireo Apôstôly roa ambin' ny folo izy. Tokony tamin' ny taona 8 taor. J.K. tao Salamina na Salamisy any Kiprôsy (na Sipra) no nahaterahany ary tamin' ny taona 61 no nahafatesany tao amin' io tanàna io ihany.
Boky apôkrifa lazaina fa nosoratan' i Barnabà:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.