From Wikipedia, the free encyclopedia
Allah no teny arabo mahazatra ilazana an' Andriamanitra. Manondro an' Andriamanitra ao amin' ny finoana silamo koa io teny io[1][2][3]. Heverina fa avy amin' ny teny hoe al-ilāh, izay midika hoe "ny andriamanitra" no niavian' io teny io, ary mifandray amin' ny teny arameana hoe אלה / Elah sy ny teny siriaka hoe ʼAlāhā ary ny teny hebreo hoe El (Elohim) ilazana an' Andriamanitra[4][5].
Nampiasain' ny Arabo manaraka fivavahana samy hafa ny teny hoe Allah hatramin' ny vanimpotoana talohan' ny silamo[6]. Nanompo andriamanitra fara tampony izay nantsoiny hoe Allah, Arabo talohan' ny silamo, miaraka amin' ny andriamanitra madinika maro[7]. Nampiasain' i Mohamady ny teny hoe Allah mba hanondroana ny fiheverana silamo an' Andriamanitra. Nampiasain' ny Mozilmana (na Arabo na tsy Arabo), ny Jiosy miteny jodeô-arabo, ary ny Kristiana arabo ny teny hoe Allah[8] hanondroana an' Andriamanitra, taorian' ny fampiasan' ny ankamaroan' ny Arabo lasa mozilmana ny teny hoe "al-ilāh" sy "Allah" tao amin' ny fiteny arabo klasika. Matetika koa io teny io no ampiasain' ny Babista, ny Bahay, ny Mandeana, ny Kristiana indôneziana sy maltey, ary Jiosy sefarada[9], ary koa ny vahoaka Gagaoza[10].
I Allah no andriamanitra tokana ivavahana ao amin' ny finoana silamo. Atao hoe الله izy amin' ny teny arabo. Amin' ny Mozilmana dia i Allah no mpahary izao rehetra izao (na ‘âlam), ka maro ny teny amaritan' ny boky Kor'any ny toetrany, toy ny hoe "mahery", "mahay", "be indra fo", sns[11]. Anaran-toetra miisa 99 no omen' ny fivavahana silamo an' ity andriamanitra tokana ity, izay atao hoe "anaran' Andriamanitra tsara indrindra".
Hatramin' ny taonjato faha-20 dia nalain' ny Mozilmana ho azy ireo samirery ny anarana hoe Allah. Ohatra amin' izany ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Maley tamin' ny taona 2009 izay mandrara ny fampiasan' ny Kristiana sy ny Siky maley io anarana io[12][13][14][15], izay tsy nampiasain' ny fivavahana tokana, araka ny tantara, fa nampiasain' ny fivavahana maro[6].
Noresahin' ny filôlôga arabo klasika ny fiforonan' ny teny hoe Allāh. Mihevitra azy io ho toy ny niforona "hoazy" (murtajal) na avy amin' ny endrika voasoritry ny teny hoe lāh (avy amin' ny fototeny lyh izay midika hoe "ambony" na "miafina") ny mpandinika ny fitsipi-pitenenana ao amin' ny sekolin' i Basra. Nihevitra kosa ny sasany fa nindramina tamin' ny teny siriaka na hebreo io teny io.
Ny ankamaroan' ny mpandinika dia mirona amin' ny fiheverana fa niforona amin' ny alalan' ny fanakambanana ny hoe el na al (tsy manavaka ny a sy ny e ny fanononana arabo) sy ny hoe ilāh[16] (izay midika hoe "ny andriamanitra", "ilay andriamanitra", endrika voafaritra) ny ny teny hoe Allah[17]: nilatsaka tsy voatonona ny zanatsoratra voalohany amin' ilay teny faharoa (i-) noho ny fampiasana matetika an' ilay teny. Noheverina koa izany fiheverana izany fa avy amin' ilay mpahay fitsipiteny malaza atao hoe Sībawayh (taonjato faha-8). Raha lazaina amin' ny teny hafa dia ahitana ny mpanoritra ال / al (izay manamarika ny maha voafaritra an' ilay teny, toy ny mpanoritra ny ao amin' ny teny malagasy ary misy hamza tsy marin-toerana) sy ny hoe إِلَاه / ilāh na إِلَه / ilah, izay midika hoe "andriamanitra (iray)" ny teny hoe Allah. Ny teny hoe Al arahin' ny ilāh no endrika voafaritra, manome ny hoe Allāh "ilay Andriamanitra")[16]. Misy tokoa ny fahafahan' ny hoe al-ilāh sy ny hoe allāh mifanolo ao amin' ny tononkalo arabo tany aloha izay noforonin' ilay Kristiana atao hoe ʿAdī ibn Zayd[18].
Tsy isalasalana fa efa nampiasaina amin' ny heviny voalohany ny teny mitovitovy endrika amin' ny hoe Allah mba hanondroana ny andriamanitra ao amin' ny fiteny semitika: Il na El[16].
Misy amin' ny fiteny semitika hafa koa ny teny iray fiaviana amin' ny anarana hoe “Allāh”, anisan' izany ny teny hebreo sy arameana. Ny hoe אלה / ʼElāh no endrika arameana mifanitsy aminy, fa אלהא / ʼElāhā kosa raha misy fananterana. Soratina hoe ܐܠܗܐ / ʼĔlāhā izany amin' ny teny arameanan' ny Baiboly sy ܐܲܠܵܗܵܐ / ʼAlāhā amin' ny teny siriaka io teny io, izay midika hoe “Andriamanitra” fotsiny. Azo inoana fa maka tahaka ny teny arabo ny endrika siriakan' io teny io tsy mahazatra [19]. Efa nampiasa ny teny hoe ilu ny Akadiana mba hiantsoany ny andriamanitra teo anelanelan' ny taona 4000 sy 2000 tal. J.K[20][21]. Tamin' ny vanimpotoana talohan' ny fiandohan' ny fivavahana silamo dia nampiasaina ny teny arabo hoe ilâh mba hiantsoana ny andriamanitra[6][16].
Milaza ny famotoran-teny nentim-paharazana miely patrana indrindra fa fampihenana ny endriky ny teny hoe al-ilāh ny teny hoe Allah.
Nisy fiheverana roapolo teo ho eo, momba ny famotorana ny teny hoe Allāh, teo amin' ny mpahay fitsipi-pitenenana arabo fahiny, araka ny notaterin' i Ibn Manzhûr (taonjato faha-13) ao amin' ny rakibolana Lisan ul-ʿArab. Maro ny mpanao rakibolana arabo no nandinika ilay lohahevitra, ary petra-kevitra maro no naroso nandritra ny tantara.
Ho an' ny sasany dia tsy mitombina io fanazavana io sady famotoran-tenim-bahoaka. Vao mainka mahagaga izany satria tsy azo itokiana loatra ny fanafoanana ny i ao amin' ny teny hoe ʾilāh satria io no zanatsoratra voalohany amin' ilay teny izay midika indrindra hoe "andriamanitra". Milaza koa izy ireo fa matetika voatahiry ny teny heverina ho masina satria fady. Etsy an-danin' izany dia mateti-pitranga amin' ny fiteny semitika hafa ny ny fototeny hoeʾel naʾil izay manondro andriamanitra: ny hoe אל / El ("andriamanitra") na אלהים / Elohim ("andriamanitra [maro]"), amin' ny teny hebreo, sy ny hoeʾāllāhā, amin' ny teny arameana, dia mety ho niavian' ilay teny arabo amin' ny alalan' ny indran-teny, narakarahin' ny fihamoananan' ny ā farany (izay zanapeo manana anjara asa ara-pitsiteny ao amin' ny teny arameana, izay zara raha tononina amin' ny teny arabo ankehitriny) ary nifarana amin' ny fanafohezana ny ā voalohany amin' ny alalan' ny fanapahan-teny diso (metanalysis) sy fifangaroana amin' ny mpanoritra ʾal.
Fomba fiasa iray hafa koa ny mampisampana ny anarana hoe Allah avy amin' ny fototeny hafa ankoatra ny إِلَهٌ / 'ilahun. Ho an' ny sasany, io anarana io dia avy amin' ny hoe al sy lâh[22], avy amin' ny matoanteny لَاهَ izay midika hoe "voasarona" na "avo", izay afaka mampifandray io anarana io amin' ny hevitry ny hoe "Avo Indrindra". Ny hafa indray dia mampisampana ny teny hoe Allah avy amin' ny mpisolo tena fahatelo milaza tokana hu, izay nampiasaina hiantsoana an' Andriamanitra. "Raha raisina ny Anarana Faratampony hoe "Allâh", raha fafana ny alif sy ny lâm roa dia tsy hisy tavela afa-tsy ny litera hâ', izay miaraka amin' ny wâw (tsy heno) izay mamorona ny teny hoe "Huwa", izay manondro ny maha tokana an' Andriamanitra."[23]. Ny safidy hafa dia ny maha "anaran' Andriamanitra izay tsy manondro azy amin' ny toetra manokana, izay tsy avy amin' ny teny hafa ary tsy azo esorina ny mpanortra ao aminy". Niely be teo amin' ny teôlôjiana sonita io fomba fijery io[16]. Izany no hevitr' i Al-Fayrūz Abādī (taonjato faha-14), ao amin' ny boky Al-Qāmûs Al-Muh'īt. Anisan' ny tohan-kevitra misy manolotra ny hoe rehefa ampiana ny teny hoe yà amin' ny fiantsoana dia miteny hoe yā Allāh, fa ho an' ny teny rehetra misy mpanoritra dia voafafa ny mpanoritra aorian' ny yā.
Mampahatsiahy ny andinin-tsoratra sasany ao amin' ny Kor'any fa nanondro an' ilay Andriamanitra mpamorona ho an' ny Mekana talohan' ny vanim-potoana silamo ny ny anarana hoe Allah[24][25][26]. Miseho ao amin' ny tononkalo talohan' ny silamo amin' ny maha anaran' andriamanitra tsy voatonona anarana manokana ny teny hoe Ilah ialohavan' ny mpanoritra, ary manondro ny andriamanitra voalaza ao amin' ny teny manodidina (voalaza rahateo, ohatra). Mampiseho ny fisian' ny anarana nohafohezina hoe Allah koa izany literatiora izany[27].
Ny fivavahan' ny Arabo talohan' ny silamo dia pôliteista ary ny Arabo dia niantso hoe Ilâha ny masoandro izay andriamanitra nivavahan' ny sasany tao anatin' ny maro[16]. Allah, izay nekena tamin' ny taonjato faha-7 ho "Tompon' ny Tempoly" (dia ny Ka'ba any Meka)[28] dia nanana andriamanitra miara-miasa aminy, izay noheverin' ny Arabo ho andriamanitra ambany fahefana, zanakalahy sy ny andriamanitra Al-ʿUzzā, Al-Manāt ary Al-Lāt izay nantsoina hoe zanany vavy[29]. Andriamanibavin' ny fahavokarana sy ny maha vehivavy i Al-Lat, izay nivavahana tany Arabia talohan' ny silamo[30]. Endrika kambavin' ny hoe Allah ny anaran' andriamanitra hoa Al-Lât[16]. Antsoina hoe Abdallah, "mpanompon' i Allah", ny rain' i Mohamady. Noho izany dia tsy manondro andriamanitra tokana ny teny ampiasaina ao amin' ny Kor'any[16]. Ho an' i Dominique Sourdelle, tamin' ny taonjato faha-4, teo amin' ny mponina mpifidrafindra monina tao amin' ny fatrana siriana, dia tany ambadika lavitry ny andriamanitra maro hafa i Allah. Tamin' izay fotoana izay i Allah vao nanomboka naka ny laharana voalohany[28].
Nankalazaina tamin' ny fombafomban' ny fihodidinana amin' ny vato - ny betila - sy zavatra masina hafa, toy ilay "vato mainty" na ny Maqam Ibrahim mifandray amin' ny Ka'ba, ireo andriamanitra ireo. Napetraka tao amin' ny fizaràn-tany heverina ho masina, izay nametrahana fitsipika momba ny fahadiovana alohan' ny sorona, ireo zavatra ireo. Toy izany koa dia voarara ny namono biby na nanapaka hazo ao amin' io faritra io[28].
Voamarina ny fampiasana, tao amin' ny tononkalon' ny fokom-pirenena arabo kristiana tany Arabia toa ny Gasanida sy ny Tanokida, ny teny hoe Allah[31][32][33]. Manamarina ny fampiasana an' io anarana io ny soratsokitra tamin' ny taonjato faha-6 hita tao Umm al-Jimal[16][34]. Ao amin' ny soratsokitra kristiana tamin' ny taona 512 dia amin' ny teny arabo hoe "Allah" sy teny arameana hoe "Alaha" ny fanondroana an' i Allah. Manomboka amin' ny filazana hoe "Amin' ny famonjen' i Allah" izany soratra izany[35][36]. Ny anarana hoe Allah àry no nampiasain' ny Kristiana talohan' ny finoana silamo[37].
I الله / Allah no andriamanitra tokana ivavahana ao amin' ny finoana silamo. Amin' ny Mozilmana dia i Allah no mpahary izao rehetra izao (na ‘âlam), ka maro ny teny amaritan' ny boky Kor'any ny toetrany, toy ny hoe "mahery", "mahay", "be indra fo", sns[38]. Anaran-toetra miisa 99 no omen' ny fivavahana silamo an' ity andriamanitra tokana ity, izay atao hoe "anaran' Andriamanitra tsara indrindra". Indrindraindrindra, ireo izay mandray ny finoana silamo dia milaza ny fanambaràm-pinoana antsoina hoe Shahada: "Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy andriamanitra afa-tsy Andriamanitra ary i Mohamady no irany” (Ashhadu an lâ ilâha illa-llâh wa Ashhadu ana Muhammadan Rasûlu-l-llâh)[39].
Tamin' ny nanambaràna ny Soratra Masina (ny Kor'any) dia niteny tamin' ny alalan' ny anjely Jibrily (Gabriela) sy ny mpaminany Mohamady izay nandre ny tenin' Andriamanitra fa tsy ny feony, ity andriamanitra ity. Manana toetra fito fototra ny andriamanitry ny silamo, dia ny fiainana, ny fahalalana, ny hery, ny sitrapo, ny fandrenesana, ny fahitana ary ny fitenenana. Mpahary sy mahefa ary mahalala ny zava-drehetra izy. Izy no tompon' izao rehetra izao sy ny hoavy, mpitsara amin' ny fitsarana farany, niseho tamin' ny mpaminany nifandimby hatramin' i Adama ka hatramin' i Mohamady. Ambara matetika ny fahatezerany ka matetika izy dia atao hoe "ilay Mahatahotra" (arabo: al-Jabbâr na al-Qahhâr). Ny halehiben' ny famindram-pony izay mahery vaika ka mahasahana ny zavatra rehetra anefa no toetrany misongadina indrindra, araka ny voasoratra ao amin' ny Kor'any, boky masin' ny silamo.
Resahina ao amin' ny Kor'any i Allah, saingy tsy natao hanazavana ny toetr' i Allah io boky io. Heverin' ny Mozilmana ho Tenin' Andriamanitra io lahatsoratra io, tsy azo idirana na dia resahina aza ireo "fahalavorariana mihoa-draha" ireo[25]. Lohahevitra telo lehibe no hita ao amin' ny Kor'any:
Ao amin' ny Kor'any dia mampiseho famariparitana miendrika olona momba an' i Allah ny andininy sasany. Manana tarehy, tanana, maso sns izy. Miteraka adihevitra ara-pamakafakana sy ara-teôlôjia ireo famariparitana ireo[25].
Araka ny voalazan' ny ismaelisma dia mihoa-draha sy tsy azo fantarina, mihoatra ny matiera, ny angovo, ny habaka, ny fotoana sns Andriamanitra[40] Mihoatra ny marika rehetra Andriamanitra, ka noho izany, ny ismaelisma dia mitsipaka ny foto-kevitra momba an' Andriamanitra izay milaza fa Andriamanitra no anton-javatra voalohany[41].
Niteraka adihevitra maro teo amin' ny mpandinika mozilmana tamin' ny taonjato voalohany ny y fanontaniana momba ny toetr' Andriamanitra. Moa ve "miray fiziana" amin' Andriamanitra ireo toetra ireo ka mandrakizay izany firaisam-piziana izany, sa ivelany izy ireo ka noho izany dia noforonina[42]? Mandà ny toetran' Andriamanitra miendrik' olombelona ny Motazilita, satria, ho azy ireo dia "tsy maintsy tokana" ny zavatra mandrakizay. Araka izany dia hahatonga an' Andriamanitra ho azo ampitahaina ireo toetra ireo. Heverina ho fanoharana ny famaritana an' Andriamanitra ao amin' ny Kor'any[43]. Na izany aza, ho an' ny Motazilita miaro ny maha-iray (tawhid) an' Andriamanitra, dia misy toetra hafa, toy ny fahalalana, izay tsy noheverina ho ao amin' Andriamanitra; mifanohitra amin' izany aza, ireo toetra ireo dia mamaritra ny fiziany. Raha tsy izany, ny maha mandrakizay ny toetran' Andriamanitra dia hiteraka zavatra maro misy mandrakizay ankoatra an' Andriamanitra[44].
Tahaka ny ao amin' ny finoana silamo, izay mino Andriamanitra mihoa-draha sy manam-piandrianana, nefa koa ato anatin' izao tontolo izao sy manatrika amin' ny toerana rehetra, ny sofisma dia milaza fa Andriamanitra irery ihany no misy, raha ny marina. Taratry ny anaran-toetr' Andriamanitra ny zavaboary rehetra noarîny. Tsy Andriamanitra mihitsy anefa ireo endrika ireo[45]. Hoy i Ibn Arabi: "Tsy misy afa-tsy Andriamanitra." Noheverin' ny mpitsikera ho toy ny panteisma (: ny zavatra rehetra no Andriamanitra) io fanambaràna io, na izany aza dia nanavaka mazava foana ny Famoronana sy ny Mpamorona i Ibn Arabi[46].
Manaiky ny maha mandrakizay ny toetr' Andriamanitra ny asarisma sy ny matoridisma, saingy tsy tokony horaisina am-panoharana na ara-bakiteny ireo toetra ireo[47]. Noho izany, manana tanana Andriamanitra, nefa tsy mitovy amin' ny tanan' olombelona[48]. Na dia heverina ho azo fantarina amin' ny alalan' ny saina aza ny fisian' Andriamanitra, dia tsy afaka mahatakatra tanteraka ny toetr' Andriamanitra ny sain' olombelona. Rehefa mahita an' Andriamanitra, ohatra, ny olona ao amin' ny paradisa, dia tsy ho araka ny fahitan' ny olona eto an-tany izany[48].
Mandà ny fandikana ny Kor'any ny salafisma sy ny oahabisma mba tsy hanovana ny hafatra ao aminy. Mandray ny filazalazana momba an' Andriamanitra ara-bakiteny àry izy ireo, ary manohitra ny ventin-kevitra teôlôjika, anisan' izany ny an' ny Asarita[49]. Noho izany dia tsy maintsy raisina ara-bakiteny ny hoe "tanan' Andriamanitra" ary mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianany tokoa i Allah[50].
Ampiasaina tsy tapaka ao amin' ny kolontsaina mozilmana ny teny hoe Allah. Ohatra, indraindray ny Mozilmana sasany izay manomboka ny hetsiny na ny asany dia manonona ny hoe bi ismi Allah na bi-smi llāh ("amin' ny anaran' i Allah")[51]; mampiseho ny fahafaham-pony izy ireo amin' ny filazana hoe al hamdu li-Allah na al-ḥamdu li-llāh ("Dera ho an' Andriamanitra")[52], na ny alahelo noho ny fahafatesan' ny olon-tiana amin' ny hoe ina li-Allahi wa ina ilayhi raji un ("an' Andriamanitra izahay ary miverina any aminy izahay"). Raha manao fahotana izy ireo dia mangataka famelan-keloka amin’ ny hoe astaghfir Allah. Rehefa milaza ny fikasany, ny vinavina na ny fanantenany izy ireo dia manao hoe in sha' Allah ("raha sitrapon' Andriamanitra")[53]. Ny fitenenana hoe Allahu Akbar, izay midika hoe "Andriamanitra no lehibe indrindra", dia manamarika ihany koa amin' ny fampitahana, ny fanamafisana ny maha tokana an' Andriamanitra[54]. Misy andian-teny hafa koa natao ho fiderana an' Andriamanitra izay tian' ny Mozilmana tononina, anisan' izany ny hoe Subḥāna llāh ("Voninahitra ho an' Andriamanitra"), lā ilāha illā llāh ("Tsy misy andriamanitra afa-tsy Andriamanitra") na indraindray lā ilāha illā inta/huwa ("Tsy misy andriamanitra afa-tsy Ianao/Izy") ho fanoloran-tena amin' ny fahatsiarovana an' Andriamanitra (dhikr)[55].
Tsy manana teny hafa ilazana ny hoe "Andriamanitra" afa-tsy ny hoe "Allah" ny Kristiana arabo ankehitriny. Toy izany koa ny teny arameana andikana ny hoe "Andriamanitra" amin' ny fitenin’ ny Kristiana asiriana dia ʼĔlāhā na Alaha. Na dia ny fiteny maltey avy amin' ny fiteny arabo any Malta aza, izay saika katôlika manontolo ny mponina ao, dia mampiasa ny hoe Alla hiresahana an' Andriamanitra.
Nampiasa endrika fiantsoana roa izay napetaka amin' ny fiandohan' ny asasorany ny Kristiana arabo. Nandray ny bismillāh mozilmana izy ireo, ary namorona bismillāh trinitariana ihany koa tany am-piandohan' ny taonjato faha-8[56]. Mivaky toy izao ny bismillāh mozilmana: "Amin' ny anaran' Andriamanitra, ilay be fiantrana, be indrafo”. Mivaky toy izao kosa ny bismillāh nampanarahina ny Trinite: bi-smi l-abi wa-l-bni wa-r-rūHi l-quddūsi l-wāHidi ("Amin' ny anaran' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Andriamanitra tokana"). Tsy misy teny hoe "Andriamanitra tokana" any amin' ny farany ny fitokavana amin' ny teny siriaka sy latina ary grika. Natao mba hanamafisana ny lafiny mônôteista amin' ny finoana trinitariana sy mba hahatonga izany ho metimety amin' ny Mozilmana kokoa ny io teny fanampiny io[57].
Araka ny voalazan' i Marshall Hodgson dia toa nisy Kristiana arabo nanao fivahiniana masina tany amin' ny Kaaba ny tamin' ny vanim-potoana talohan' ny silamo (dia ny Kaaba izay tempolin' ny mpanompo sampy tamin' izany fotoana izany), nanome voninahitra an' i Allah amin' ny maha Andriamanitra mpamorona azy[58].
Ny fikarohana arkeôlôjika sasany dia nitarika ho amin' ny fahitana soratsokitra sy fasana maro talohan' ny silamo sy fasana maro nataon' ny Kristiana arabo tao amin' ny sisam-paharavan' ny fiangonana iray tao Umm el-Jimal any Jôrdania avaratra, izay nisy firesahana momba an' i Allah ho anaran' Andriamanitra tamin' ny voalohany, araka ny voalazan' i Enno Littman (1949). Na izany aza, amin' ny fanavaozana faharoa nataon' i Bellamy sy ny namany (1985 & 1988) dia nadika indray ilay soratsokitra misy andininy 5 hoe "(1) Ity [soratsokitra] ity dia natsangan' ny mpiara-miasa amin' i ʿUlayh, (2) zanak' i ʿUbaydah, mpitan-tsoratra (3) an' ny vondrona Augusta Secunda (4) Filadelfiana; enga anie ho very saina izay (5) hamafa an' ity[59][60][61].
Hita ao amin' ny tatitra sy lisitry ny anaran' ny maritiora kristiana tany Arabia Atsimo ny teny siriaka hoe ܐܠܗܐ / ʼĔlāhā[62][63], araka ny tatitra hita ao amin' ny tahirin-kevitra siriaka tranainy momba ny anaran' ireo maritiora ireo tamin' ny andron' ny fanjakan' ny Himiarita sy ny fanjakan' ny Aksomita[64].
Ao amin' ny tantaram-piainana nataon' i Ibn Ishaq dia misy mpitarika kristiana iray antsoina hoe Abd Allah ibn Abu Bakr ibn Muhammad, izay maty maritiora tao Najran tamin' ny taona 523, satria nanao peratra milaza hoe "I Allah no Tompoko"[65].
Ao amin' ny soratsokitra momba ny maritiora kristiana tamin' ny taona 512 dia hita amin' ny teny arabo sy arameana ny fanondroana an' i الاله / 'l-ilah[66]. Manomboka amin' ny filazana hoe "Amin' ny fanampian' i 'l-ilah" ilay soratsokitra[67][68].
Ao amin' ny Filazantsara na Evanjely talohan' ny silamo dia "Allah" no anarana nampiasaina hanondroana an' Andriamanitra, araka ny asehon' ny dikan-teny arabo sasany amin' ny Testamenta Vaovao nosoratan' ny Kristiana arabo nandritra ny vanim-potoana talohan' ny silamo tany Arabia Avaratra sy Atsimo. Na izany aza, ny fikarohana vao haingana momba ny fandalinana islamika nataon' i Sydney Griffith sy ny namany (2013), i David D. Grafton (2014), i Clair Wilde (2014) ary i ML Hjälm sy ny namany (2016 & 2017) dia nanamafy fa "ny azo resahina momba ny mety hisian' ny dikan-teny kristianan' ny Filazantsara amin' ny teny arabo talohan' ny silamo dia tsy mbola nisy famantarana azo antoka ny fisiany."[69][70][71][72][73]. Fanampin' izany, i ML Hjälm ao amin' ny fikarohana nataony farany indrindra (2017) dia nilaza fa "Tsy talohan' ny taona 873 ny fahitana ny sora-tanana misy fandikan-tenin' ny filazantsara"[74].
I Irfan Shahîd eo am-mpanaovana tonon-tsiahy ny Kitab al-Aghani, izay angona rakipahalalana tamin' ny taonjato faha-10, dia nanamarika fa ny Kristiana arabo talohan' ny silamo dia voalaza fa nampiakatra ny hiaka an' ady hoe "Ya La Ibad Allah" ("O ry mpanompon' i Allah") mba hifampiantso amin' ny ady[75]. Araka ny voalazan' i Shahid, araka ny fahefan' ny manam-pahaizana mozilmanan' ny taonjato faha-10, Al-Marzubani, dia voatonona ao amin' ny tononkalo kristiana talohan' ny silamo ihany koa ny hoe "Allah" nataon' ny pôeta gasanida sy tanokida sasany tany Siria sy Arabia Avaratra[76][77][78].
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.