Shiraz
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Shiraz | ||
Velarantany | NC | |
Isam-ponina | 1 249 942 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | Iran | |
Faritany | Fars | |
Faritra | NC |
I Shiraz dia tanàna ao amin' ny faritany mizakatenan' i Fars, ao atsimo-andrefana amin' i Iràna, eo amoron' ny Hoala Persika. Izy nno tanàna fahadimy be mponina indrindra ao amin' io firenena io (1 249 942 tamin' ny taona 2018).
I Shiraz no foibe ara-barotra ao amin' ny faritra manodidina azy izay mamokatra voaloboka, voasary, landihazo ary vary. Ankoatra ny divain’ i Shiraz, izay efa taonjato maro ny lazany, ny asa ataon’ ny olona ao amin’ io tanàna io koa dia atokana amin' ny fandrafetana takela-kazo manify hanaingoana fanaka, ny asa metaly ary indrindra ny fanefena volafotsy, ny fanamboarana karipetra, ny fanaingoaa lamba amin’ ny volamena na volafotsy sy ny fanenomana karazan-damba hafa, ary ny fanamboarana simenitra sy zezika.
Nitahiry ny sisa tavela tamin' ny lasany i Shiraz, anisan' izany ny fasan' ny pôeta persiana malaza maro toa an’ i Hafiz sy Saadi, izay samy teratanin’ i Shiraz, ny môskea Masjed Jame Atighe izay niorina tamin' ny taonjato faha-9. Ahitana oniversite niorina tamin’ ny taona 1945 koa ilay tanàna.
Niorina tamin' ny taonjato faha-7 i Shiraz izay renivohitr' i Iràna tamin' ny fotoana samihafa. Eo amin’ ny manodidina no ahitana ny sisam-paharavàn’ ny tanànan’ i Persepôlisy fahiny.
I Shiraz dia miorina an-tany lemaka manana haabo 1 486 m, eo am-pototry ny Tendrombohitra Zagros. Mamakovaky an’ i Shiraz ny renirano maina, izay indraindray misy rano rehefa ririnina, mivarina any amin’ ny farihy masira Maharloo. Manana velarana mirefy 340 km2 i Shiraz ka izany, araka io velarany io, no maha tanàna faha-3 lehibe indrindra ao Iràna azy aorian' i Teheran sy i Mashhad. 919 km miala an' i Teheran no misy azy. Izy no tanàna fahenina be mponina indrindra ao Iràna izay nisy mponina miisa 1 249 942 tamin' ny taona 2018.[1].
Toetanin-tanibe somary maina ny an’ i Shiraz izay manana sala-maripana 17,6 °C isan-taona sy rotsak' orana 305 mm isan-taona. Ny ririnina no mba misy orana ao, ary ny volana Janoary no misy orana indrindra izay mahatratra 79,8 mm. Etsy ankilany, amin' ny fahavaratra dia tsy misy ranonorana na dia kely aza i Shiraz. Ny maripana amin' ny fahavaratra dia mety mafana dia mafana ary amin' ny ririnina dia mangatsiaka mety misy oram-panala.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.