Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny toetanin-tanibe na toetanin-kôntinenta, amin' ny ankapobeny, dia toetany manana elanela-maripana isan-taona lehibe (mafanafana na mafana ny fahavaratra, fa mangatsiaka kosa ny ririnina). Miseho any amin' ny faritra afovoany sy atsinanana amin' ny kôntinenta telo avaratra (Amerika Avaratra sy Eorôpa ary Azia) ireo toetany ireo, matetika any amin' ny laharam-pehintany afovoany (40° ka hatramin' ny 55° na 60° avaratra), matetika ao anatin' ny tany midadasika, izay misy rivotra mitsoka an-tanety sy mitondra rotsa-drano, ary ny maripana dia tsy voafehin' ny ranomasimbe. Miseho matetika any amin' ny Ila-bolantany avaratra ny toetany kôntinentaly noho ny velaran-tany midadasika hita any. Ny ankamaroan' ny tapany avaratra-atsinanan' i Sina, ny tapany atsinanana sy atsimo-atsinanan' i Eorôpa, ny ampahany be amin' i Rosia atsimon' ny faribolan-tendrontany avaratra, ny afovoany sy ny atsimo-atsinanana amin' i Kanada, ary ny afovoany sy avaratra-atsinanana amin' i Etazonia dia manana io karazana toetany io.
Ao amin' ny toetanin-tanibe dia antonony ny habetsahan' ny rotsa-drano (orana na oram-panala), indrindra amin' ny volana mafana. Faritra vitsivitsy monja — any amin' ny tendrombohitra any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Amerika Avaratra manamorona ny Ranomasimbe Pasifika sy any Iràna, any amin' ny tapany avaratr' i Iràka, any akaikin' i Torkia, any Afganistàna, any Pakistàna, ary any Azia Afovoany — no isehoan' ny rotsa-drano be indrindra amin' ny ririnina. Milatsaka amin' ny endrika orampanala ny ampahany amin' ny rotsa-drano isan-taona, ary matetika no mijanona amin' ny tany mandritra ny iray volana mahery ny orampanala. Mety hahitana oram-baratra sy hafanana ambony matetika ny fahavaratra ao amin' ny toetany kôntinentaly; na izany aza dia somary marin-toerana kokoa noho ny ririnina ny fizaràn-taona fahavaratra. Heverina ho karazana toetany antonony ny toetanin-tanibe noho ny toerana misy azy any amin' ny faritra misy ny toetany antonony, saingy sokajina manokana tsy miaraka amin' ny toetany antony hafa izy ireo ao amin' ny fanasokajian-toetanin' i Köppen izay anondroana azy amin' ny litera D. Ao amin' ny fanasokajian-toetanin' i Trewartha izy ireo dia tondroina amin' ny alalan' ny litera roa Dc.
Ny toetanin-tanibe dia miseho amin' ny ankapobeny any amin' ny ila-bolantany avaratra, izay manana tany midadasika amin' ny laharam-pehintany mafana, ilaina amin' ny fivoaran' ity karazana toetany ity. Ny ampahany be amin' ny avaratra sy avaratra-atsinanana amin' i Sina, ny atsinanana sy ny atsimo-atsinanana amin' i Eorôpa Andrefana, ny avaratra-andrefana amin' i Iràna, ny afovoany sy atsimo-atsinanana amin' i Kanada, ary ny afovoany sy avaratra-atsinanana amin' i Etazonia dia manana io karazana toetany io.
Any amin' ny toetanin-tanibe dia antonony amin' ny ankapobeny ny rotsa-drano, indrindra amin' ny volana mafana. Faritra vitsivitsy monja — any amin' ny tendrombohitra any amin' ny tapany avaratra-andrefana amin' i Amerika Avaratra sy any Iràna, any avaratra amin' i Iràka, akaikin' i Torkia, any Afganistàna, any Pakistàna, ary any Azia Afovoany — no misy rotsa-drano be indrindra amin' ny ririnina. Milatsaka ho orampanala ny ampahany amin' ny tokony ho rotsak' orana isan-taona, ary matetika no mijanona amin' ny tany mandritra ny iray volana mahery ny orampanala. Mety hahitana orambaratra sy hafanana matetika ny fahavaratra amin' ny toetanin-tanibe; na izany aza dia somary marin-toerana kokoa raha mitaha amin' ny ririnina ny fahavaratra.
Miforona indrindra amin' ny ala kônifera mafana sy ny ala mampiavaka ny faritra manodidina ny tendrontany (taiga) ary koa ny tany lava volo anirin' ahitra sy ny fatrana ny zavamaniry voajanahary. Maniry any amin' ny faritra avaratra —- izay mahalava sy mampamirifiry ny ririnina ary mahafohy sy mangatsiatsiaka ny fahavaratra — ny taiga. Ala maitso mavana ny taiga, ka misongadina amin' izany ny hazokesika. Any amin' ny faritra atsimo izay tsy dia mangatsiaka sy mando, dia miseho ny tany lava volo ahitana ahitra avo, mampiavaka ny lemaka anatiny. Any amin' ny faritra mafana sy maina kokoa dia mivoatra ny fatrana, izay misy ahitra iva.
Henjana ny toetry ny andro amin' ny ririnina, ary tsy ny biby rehetra monina amin' izany tontolo iainana izany no mijanona amin' ny toerana misy azy amin' ny ririnina, ka mazàna ny vorona no mifindra monina any amin' ny faritra mafana kokoa, fa ny biby hafa kosa matory mandritra ny ririnina.
Ny orsa manja (na bera manja), ny lopa, ny amboahaolo, ny martra, ny vizôna, ny kionkiona, ny rena, ny diera (na serfa) ary ny ôrinaly no biby tena mampiavaka ny taiga.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.