From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny samaritanisma dia fivavahan' ny Samaritana izay mifanakaiky amin' ny fivavahana jiosy, nefa ny boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly ihany, fa tsy ny Baiboly hebreo manontolo, no ekeny ho Soratra Masina. Ny tendrombohitra Gerizima no tendrombohitra masina fa tsy i Ziôna na Siôna.
Araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka ao amin' ny Baiboly (2Mpanj. 17:23 --17:41) dia natao sesitany mankany amin' ny faritry ny Fanjakana Asiriana ny mponin' i Samaria mba ho fanasazian' Andriamanitra ny fahotan' izy ireo. Milaza ny Baiboly fa nisy mponina vahiny mampidirina tao Samaria. Ireo vahiny ireo hono no namorona ny fivavahana manafangaro fomba israelita amin' ny fomban' ny paganista. Ny fivavahana samaritana araka ny ahafantarana azy amin' izao fotoana izao anefa tsy ahitana fomban' ny mpanompo sampy.
Ny Baiboly anefa tsy tena miresaka mazava ny amin' ny fanjavonan' ireo fokon' i Israely folo. Ohatra, ny Bokin' i Jeremia (Jer. 41:5) dia mitatitra fa 150 taona taorian' ny faharavan' ny Fanjakan' i Samaria, izany hoe raha vantany vao rava i Jerosalema tamin' ny taona 586 tal. J.K., dia tonga nitondra fanatitra ho an' ny Tempolin' i Jerosalema ny mponin' i Israely Avaratra: "lehilahy miisa valopolo tonga avy any Sikema (na Sekema), avy any Silo ary avy any Samaria, niharatra volom-bava, nandrovitra akanjo, sady nandididy ny hodiny (ho mariky ny fisaonana). Nitondra voan-javatra sy emboka manitra hatao fanatitra ho an' ny Tempolin' i Iahveh".
Be mpanaraka ny petra-kevitra izay manohana fa ny 80 %n' ny mponina tao amin' ny Fanjakan' i Samaria dia nanohy nonina tao ihany fa tsy natao sesitany, ka ireo no nanjary Samaritana (amin' ny dikan' io teny io ara-pivavahana) araka ny ambaran' ny Bokin' ny Mpanjaka.
Ny Samaritana dia vahoaka monina ao Israely sy Sisjordania ka ao Samaria, tanàna ao amin' ny tapany avaratr' i Palestina, no tany nonenan' ireo razany izay nanjaka tao mandraka amin' ny taonjato faha-5. Tsy milaza ny tenany ho Jiosy izy ireo nefa mihevi-tena ho taranaky ny Israelita fahiny nonina tao amin' ny Fanjakan' i Israely tao avaratra tao Samaria. Misy ny Jiosy mihevitra azy ireo ho taranak' olona vahiny tsy Israelita. Na tamin' ny andro mifanandrify amin' ny zavatra tantaraina ao amin' ny Testamenta Vaovao dia navakavahan' ny Jiosy ny Samaritana. Ny Fanjakan' i Israely amin' izao fotoana izao anefa dia manao ny Samaritana ho Jiosy. Vitsy izy ireo satria tamin' ny taona 2007 dia 796 no isany.
Toerana masina ho an' ny Samaritana nyNy tendrombohitra Garizima na Gerizima. Amin' ny fiteny hebreo samaritana dia atao hoe Ar-Garzim izy, amin' ny fiteny arabo dia جبل جرزيم / Jabal Jarizīm, na جبل الطور / Jabal et Tur, amin' ny fiteny hebreo jiosy kosa dia הַר גְּרִיזִּים / Har Gerizim.
Ao amin' ny Bokin' ny Deoterônômia (na Deoterônômy) ao amin' ny Baiboly dia ahitana andalana miresaka ny amin' ny tendrombohitra Gerizima (Deo. 11.29; 27.12,) [1][2]. Miresaka ny amin' ny tendrombohitra Gerizima koa ny Baiboly ao amin' ny Bokin' i Jôsoa (na Jôsoe) (Jôsoa 8.33)[3]. Ao amin' ny Bokin' ny Mpitsara dia ahitana andalana miresaka ny amin' ny tendrombohitra Gerizima koa (Mpits. 9.7) [4].
Tany amin' ny taona 330 tal. J.K. tany ho any ny vahoaka samaritana dia nanorina tempoly teo an-tampon' ny tendrombohitra Gezirima izay nanjary foibentoeran' ny fivavahana samaritana (na samaritanisma), sahala amin' ny Tempolin' i Jerosalema izay foibentoeran' ny fivavahana jiosy (na jodaisma). Voahodidina manda fiarovana, araka ny Bokin' ny Makabeo, io tempoly io tamin' izany fotoana izany. Noravan' ilay mpanjaka hasmoneana atao hoe Joany Hirkana I io tempoly io tamin' ny taona 108 tal. J.K.
Rehefa niova ho amin' ny fivavahana kristiana ny Empira bizantina dia nanery ireo vahoaka vitsy anisa mba hanaraka ny fivavahana kristiana araka ny heveriny ho ny tena izy. Ny emperora Zeno (latina: Flavius Zeno Perpetuus Augustus), izay nanjaka hatramin' ny taona 474 ka hatramin' ny 491 dia nanenjika ny Jiosy sy ny Samaritana sady nandrodana ny tempoly samaritana (fanidroany izany) izay tsy voaorina intsony. Rehefa tonga fivavahana matanjaka ny fivavahana kristiana teo amin' ny Empira Rômana dia tsy navela hankeny amin' ny tendrombohitra Gerizima ny Samaritana ka niteraka ny fikomian' ny Samaritana izany tamin' ny taonjato faha-6. Na dia noravana aza ny tempolin' ny Samaritana dia nijanona ho foiben' ny fivavahana samaritana ny tendrombohitra Garizima hatramin' izao.
Ny mpanjakan' i Jôrdania atao hoe Hussein (nanjaka 1952--1999) dia nividy tany teo amin' ilay tendrombohitra izay nomeny ny vahoaka samaritana. Nanorin-tanàna teo ny Samaritana ka nanome anarana azy hoe Kiryat Luza (hebreo: קרית לוזה; arabo: قرية لوزة). Ahitana sinagôga ny ao amin' io tanàna io.
Ny soratra masin' ny fivavahana samaritana dia ny Baiboly samaritana na Torah samaritana na Pentateoka samaritana izay tsy ahitana boky hafa ao amin' ny Baiboly jiosy (Tanakh) afa-tsy ny Lalàna (Torah) na Pentateoka. Voasoratra amin' ny fiteny hebreo samaritana sy amin' ny abidy samaritana izany Baiboly izany.
Ny fiteny hebreo samaritana dia karazana fiteny hebreon' ny Baiboly izay mbola ampiasaina sy soratan' ny Samaritana. Ankehitriny dia lasa fiteny litorjika io fiteny io ka tsy ampiasaina hifaneraserana andavanandro. Miteny hebreo vaovao ny Samaritana monina ao Holon fa ny ao Nablosa kosa dia miteny arabo palestiniana. Soratana amin' ny karazana abidy fenisiana, izay abidy tranain' ny fiteny hebreo tranainy izay navelan' ny Jiosy ka tsy nampiasainy intsony hatry ny Andro Taloha, ny fiteny hebreo samaritana.
Ny abidy samaritana dia abidy ampiasain' ny Samaritana hanoratany ny fiteny hebreo samaritana ary ny fiteny arabo. Ny abidy samaritana dia abidy tsy ahitana afa-tsy renisoratra ary tsy anoratana afa-tsy ny renifeo. Ahitana tarehin-tsoratra (litera) miisa 22 ao amin' io abidy io. Avy ankavanana miankavia ny fanoratana.
Misy fahasamihafana ny votoatin' ny Torah hebreo amin' ny Torah samaritana. Ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny fiheverany fa tsy i Jerosalema fa ny tendrombohitra Garizima no toerana masina. Ahitana ny fanajana an' i Garizima ho ivon-toeran' ny fanompoam-pivavahana ny didy faha-10 ao amin' ny Didy folon' ny Torah samaritana. Narindrany hitovy ny Didy folo ao amin' ny Bokin' ny Eksôdosy sy ao amin' ny Bokin' ny Deoterônômia. Mba hitazomany ny isan' ny didy dia heveriny ho fampahafantarana fotsiny ny didy voalohany (“Izaho no IHVH Andriamanitrao, izay nitondra anao avy any amin' ny tanin' i Ejipta, niala tamin' ny tranon' ny fanandevozana"), ny didy faharoa ao amin' ny Torah jiosy no didy voalohany ao amin' ny Torah samaritana. Ho an' ny Samaritana dia "namadika io fampahafantarana io ho didy ny olon-kendry jiosy mba haha folo ny isan' ny didy tamin' ny nanitsian' izy ireo ny Torahny tamin' ny nanesorany ny fahafolo" mifanandrify amin' ny tendrombohitra Gerizima. Voalaza ao amin' ny Bokin' ny Eksodosy 34:28 ny isan' ireo didy ireo.
Ankoatr' ireo fahasamihafana lehibe ireo dia misy koa ny fahasamihafana maivana momba ny fanoratana ny Torah samaritana sy ny Torah jiosy. Mampifanakaiky ny Baiboly samaritana amin' ny Septoajinta toy izay amin' ny Torah masôretika izany fahasamihafana izany.
Manara-bolana sy masoandro sahalahala amin' ny tetiandro hebreo, izay ahitana taona manara-masoandro sy volana manara-bolana ary herinandro misy fito andro (izay manomboka amin' ny Alahady) ny tetiandro samaritana.
Tahaka ny tetiandro jiosy, dia mampifandimby volana misy 29 andro amin' ny volana misy 30 andro. ny tetiandro samaritana, Tsy toy ny tetiandro jiosy ny tetiandro samaritana izay tsy manome anarana ny volana ao amin' ny taona fa ny laharany fotsiny, izay manomboka amin' ny 1 sy miafara amin' ny 12 (na 13 arakaraka ny taona). Ny anaram-bolana jiosy mantsy dia avy amin' ny anaram-bolana asiro-babilôniana izay azon' izy ireo nandritra ny fahababoana tany Babilôna izay nanomboka tamin' ny taonjato faha-6 tal. J.K.
Toy ny volana 12 koa ny andro ao amin' ny herinandro: tsy manana anarana manokana fa tondroina fotsiny amin' ny laharany izay manomboka amin' ny andro voalohany (Alahady) sy miafara amin' ny andro fahafito (Asabotsy). Manomboka amin' ny filentehan' ny masoandro ny andro tsirairay. Mifanandrify amin' ny andro Asabotsy ny Sabata, ka mitovy amin' ny Sabata jiosy izany.
Maro ny fety jiosy tsy ankalazain' ny Samaritana, dia iny fety tsy andidian' ny Pentateoka. Ny fetin' ny Paska no fety samaritana lehibe indrindra. Tsy mitovy amin' ny Jiosy izay tsy manatanteraka intsony ny soron' ny zanakondrin' ny Paska ny Samaritana fa mbola manao izany iray andro mialoha ny Paska eo amin' ny tendrombohitra Garizima.
Tsy ny Paska ihany anefa no fety ankalazain' ny Samaritana fa ao koa ny fivahiniana masina israelita-samaritana izay anaovana fitsidihana intelo isan-taona ny toerana masina eo amin' ny tendrombohitra Garizima. Ny andro fahafito amin' ny Paska, izay atao hoe "fetin' ny mofo tsy misy masirasira", fa tsy שבועות / Shavouot (izany hoe ny Pentekôsta) sy ny andro voalohany amin' ny fetin' ny tabernakely (Sukkot). Ireo fivahiniana masina telo ireo dia manam-pifadraisana hentitra amin' ny fety telo lehibe jiosy, dia ireo Sheloshet Haregalim.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.