Brezila
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Brezila na Brezily, na Repoblika Federalin' i Brezila, dia firenena ngeza indrindra sy mivelatra indrindra any Amerika Latina. Atao hoe Brasil izy amin' ny teny pôrtogey. I Brasilia no renivohiny. Manana velarana mirefy 8 547 400 km² sy mponina maherin' ny 190 tapitrisa izy, ka mahatonga azy ho firenena fahadimy amin' ny lafiny velarantany sy amin' ny lafiny isan' ny mponina. Azy ny antsasaky ny velaran' i Amerika Atsimo ary mizara sisin-tany amin' ny firenena rehetra ao Amerika Atsimo afa-tsy i Silia sy ny Ekoadôra izy.
((pt)) | |||||
((pt)) | |||||
Repoblika Federalin'i Brezila ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Ordem e Progresso Malagasy : « Fandriam-pahalemana sy Fandrosoana » | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | fiteny Portogey | ||||
Renivohitra | Brasília | ||||
Tanàna ngeza indrindra | São Paulo, Rio de Janeiro | ||||
Fitondrana sy governemanta - filoha |
Repoblika federaly Luiz Inácio Lula da Silva | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 5 8 547 877(IBGE) km² 0,65 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2009) - hakitroka |
faha 5 191 043 661 mpo. 21,6 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Brezilianina | ||||
IDH (2007) | ▲ 0,807 (ambony) faha 70 | ||||
Sandam-bola | Real (BRL ) | ||||
Faritr'ora | UTC -2 hatramin'i -4 | ||||
Hiram-pirenena | Hino Nacional Brasileiro | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+55 |
Ny Brezila no zanatany pôrtogey voalohany mandritry ny taonjato maro, ankehitriny, io irery no lovan' ny Pôrtogaly any Amerika, amin' ny fisehon' ny kolontsaina sy ny teny ôfisialy, ny teny pôrtogey.

Firenena katôlika sy miteny pôrtogey ngeza indrindra, mpikambana ao amin' ny CPLP izy. Ny fiteny pôrtogey dia teny voalohany any Amerika Atsimo noho ny demôgrafia brezilianina.
Mizara roa ny vohon-tanin' i Brezila: ny lembalemba breziliana sy ny faritanin-dranon' i Amazôna (ilay ony lava indrindra eto an-tany mirefy 6 400 km). Ny faritr' i Amazônia no mandrakotra ny 60 % amin' ny tanin' i Brezila ka ny ala ao aminy dia ahitana karazan-javamaniry maro indrindra eto an-tany (miisa 1,5 tapitrisa ny karazan-javamaniry hita ao).
Isan-karazany ny mponina ao Brezila: hita ao ny fotsy hoditra manam-piaviana eorôpeana (55 %), ny safiotra manam-piaviana eorôpena sy mainty hoditra (22 %), ny safiotra manam-piaviana eorôpeana sy amerindiana (12 %), ny mainty hoditra (11 %) ary ny Amerindiana (0,1 %). Tamin' ny taona 1960 dia nafindra any Rio de Janeiro ny renivohi-pirenena ba hanomezana lanja indray ny any afovoan-tany.
Tamin' ny taona 2008 i Brezila dia firenena faha-11 ara-toekarena izay manana harin-karena faobe 1 572 839 Md USD, ao aorian' i Espaina na 2,42 %-n' ny harin-karena faoben' izao tontolo izao.
I Brezily no firenena voalohany maneran-tany mpamokatra kafe betsaka indrindra sady manana harena an-kibon' ny tany be dia be. Loharanon-karen' i Brezila koa ny alan' i Amazônia; miteraka fanimbana ala be anefa ny fitrandrahana izany tafahoatra ka atahorana hiteraka fikorontanan' ny tontolo iainana (indrindra vokatry ny faharinganan' ny karazan-javamaniry sy karazam-biby maro). I Brezily no firenena matanjaka ara-toekarena indrindra ao Amerika Atsimo nefa lehibe loatra ny tsy fitovian' ny fari-piainan' ny mponina.
Jereo koa
- Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela
- Kôntinenta eto an-tany: Afrika - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Azia - Eorôpa - Ôseania - Antarktika
Rohy ivelany
- ((pt))((es))((en)) Portal-n'ny governemanta brazilianina
- ((fr)) Ambasadin'ny Brazila any Paris Archived Aogositra 17, 2009 at the Wayback Machine
- ((pt)) Comunidade França-Brasil Archived Novambra 16, 2009 at the Wayback Machine
- ((es))((en))Centro Argentino de Estudios Internacionales, e-books Archived Janoary 24, 2010 at the Wayback Machine
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.