Santa Losia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Santa Losia dia firenena nosy ao Amerika Afovoany, ao amin' ireo nosy Antilia, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika sy ao amin' ny Ranomasina Karaîba. I Castries no renivohiny. Mirefy 620 km2 ny velaran-taniny ary nisy mponina miisa 166 487 tao tamin' ny taona 2020. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Ny faritr'ora dia −4.


Nosy avy amin' ny afotroa i Santa Losia. Tandavan-tendrombohitra no makivaky azy avy avaratra mankany atsimo. Toetanin-jana-pehin-tany ny toetany any. Atao hoe Saint Lucia izy amin' ny teny anglisy.

Manaraka ny fivavahana katôlika ny ankamaroan' ny mponina ao amin' firenena io. Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Santa Losia. Mandray anjara be koa ny fizahan-tany. Nahazo ny fahaleovan-tenany i Santa Losia tamin' ny taona 1979. Mikambana ao amin' ny Commonwealth izy. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy any aminy.
Jereo koa
- Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela
- Kôntinenta eto an-tany: Afrika - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Azia - Eorôpa - Ôseania - Antarktika
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.