Panamà
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Panamà na Panama dia firenena any amin' ny farany atsimon' i Amerika Afovoany, eo amin' ny andilan-tany (Andilan-tanin' i Panamà) mampitohy an' i Amerika Atsimo sy i Amerika Afovoany. Mizara sisintany amin' i Kôsta Rika sy amin' i Kôlômbia izy ary manana velarana mirefy 75 620 km². I Panamá no renivohiny. Ny isan' ny mponin' i Panamà dia 4 337 768 (tombana tamin' ny 2022).
República de Panamá ((es)) | |||||
Repoblikan' i Panamà ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Pro Mundi Beneficio (Pour le plus grand bien du monde entier) | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | fiteny espaniola | ||||
Renivohitra | Panamá | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Panamá | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha |
Repoblika Juan Carlos Varela | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 115 78 200 km² 2,9% | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 131 3 292 693 mpo. 43 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Panameanina | ||||
IDH (2004) | Mihakatra 0,832 (ambony) faha 58 | ||||
Sandam-bola | Balboa (PAB ) | ||||
Faritr'ora | UTC -5 | ||||
Hiram-pirenena | Himno Istmeño | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+507 |
Lalovan' ny Lakandranon' i Panamà, izay mampitohy ny Ranomasimbe Atlantika amin' ny Ranomasimbe Pasifika i Panamà.
Be tendrombohitra ny vohon' ny tanin’ ilay firenena (mamakivaky an' io firenena io amin' ny sakany ny tendrombohitra, avy any andrefana ka hatrany atsinanana) ary andalovan' ny renirano sy ony maro izay midina avy any an-tendrombohitra mankany an-dranomasina ny faritra misy ala.
Samy hafa fiaviana ny mponina ao Panamà: ao ny Amerindiana sy ny Afrikana ary ny Eorôpeana. Katôlika ny ankamaroan' ny Panameana.
Ny loharanon-karena lehibe indrindra ao amin' ilay firenena dia avy amin' ny fampiasana ny Lakandranon' i Panamà, izay lasa lalana lehibe ara-barotra eo anelanelan' i Atlantika sy i Pasifika, nanomboka tamin' ny taona 1914 (tsy mila mihodidina an' i Amerika Atsimo ny sambo).

Fizaran-tanin' i Kôlômbia Lehibe i Panamà talohan' ny fahaleovantenany tamin' ny taona 1903.
Fiforonan-teny
Betsaka ny teôria misy momba ny fiavian' ny anarana hoe Panama. Misy milaza fa avy amin' ny anarana karazan-kazo izany; misy koa ny milaza fa tamin' ny taona nahatongavan' ny mpanjanatany voalohany tany dia betsaka ny lolo (bibikely) amin' ny volana Aogositra ary panamá no anaran' ny lolo amin' ny fiteny tompontany. Ny tena malaza tamin' ireo teôria ireo dia ilay vohitra ipetrahan' ny mpanjono manana anarana hoe Panama, izay midika hoe "trondro".
Jeôgrafia
Firenen' i Amerika Afovoany i Panamà, izay voafaritry ny Ranomasina Karaiba, ny Ranomasimbe Pasifika, i Kôlômbia ary i Kôsta Rika.
Jereo koa
- Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panamà - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela
- Kôntinenta eto an-tany: Afrika - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Azia - Eorôpa - Ôseania - Antarktika
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.