I Amazôna dia ony any Amerika Atsimo. I Amazôna no ony faharoa lava indrindra ary voalohany amin' ny topa-dranony (209 dam3/s).

Thumb
Vavaranon'i Amazona

Velaram-pandalarana

Thumb
Velaram-pandalaran'i Amazôna ary ny reniranony

Ny velarantany anangonan' ny renirano Amazôna dia lehibe indrindra eto an-tany. Eo amin' ny 7 000 000 km2 eo ho eo no velarany. Manangona ny ranon' ny renirano izy manomboka amin' ny laharam-pehintany fahadimy any avaratra hatramin' ny faharoapolo any atsimo.

Anisan' ny tondron' ny reniranon' i Amazôna ny ala dibo-drano isaky ny fotoan' ny latsak' orana. Isan-taona dia tonga any amin' ny 9 m ny haavon' ny rano. Ireo ala izay dibo-drano isaky ny fotoan' ny latsak' orana dia antsoina hoe várzea. Ny velaran' ala dibo-drano dia 110 000 km2 amin' ny main-tany ary mahatratra hatrany amin'ny 350 000 km2 rehefa amin' ny fotoana iavian' ny orana.[1]

Betsaka dia betsaka ny rano mirotsaka ao amin' ny ranomasimbe Atlantika avy amin' i Amazôna: eo amin' ny 300 km3 eo ho eo isa-tsegondra amin' ny fitaona ilatsahan'ny orana; izany hoe eo amin' ny 209 000 km3/s mandavan-taona, izany hoe roapolo isan-jaton' ny ranomamy mifangaro amin' ny ranomasina. Eo ambavaranon' i Amazôna, tsy masira ny rano mandritry ny 400 km.[1]

Fihaviana

Loharanony ao amin' ny Anda Perovianina

Ony kely mipoitra eo amina haavo 5 507 m no loharanon' i Amazôna, ary vao haingana anefa izany zavatra izany no fantatra. Ny anaran' ilay tendrombohitra iterahan' ilay renirano dia i Nevado Mismi, 160 km mianandrefana avy ao amin' ny farihin' i Titicaca, na 650 km mianatsimo atsinanana avy ao Lima. Tamin' ny 2001 ilay zavatra no tena nomarinana, izany hoe telopolo taona taorian' ny nahitana azy.

Mikoriana avy eo amin' i Nevado Mismi hatrany amin' ny renirano Apurimac ilay ony. Zana-dranon' i Ucayali ny Apurimac, izay miray amin' i Marañón. Eo izy no mitondra ny anarana hoe Amazonas any Pero ary any Kôlômbia, ary aveo ny anarana Rio Solimões rehefa miditra ao amin' ny faritra manodidin' i Tabatinga, ao Brazila, dia avy eo indray mbola miverina mitondra ny anarana Amazona eo amin' ny tanàna misy an' i Manaus rehefa niray tamin' i Rio Negro. 6 280 km no halavan' ny renirano avy amin' ny renirano hatramin' ny vavarano, izany hoe renirano faharoa aorian' i Nily (6 690 km) fa voalohany amin' ny topa-dranony.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.