![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/61/Echinochloa_crus-galli_2006.08.27_15.00.29-p8270054.jpg/640px-Echinochloa_crus-galli_2006.08.27_15.00.29-p8270054.jpg&w=640&q=50)
Tsimparifary
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tsimparifary dia karazan' ahitra izay matetika miara-maniry amin' ny vary. Misy karazany maro ireo ahitra ataon' ny Malagasy hoe "tsimparifary", dia ireo atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Echinochloa sy Panicum sy Sacciolepis ary Zizania izay samy ao amin' ny fianakavian-javamaniry Poaceae.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/61/Echinochloa_crus-galli_2006.08.27_15.00.29-p8270054.jpg/640px-Echinochloa_crus-galli_2006.08.27_15.00.29-p8270054.jpg)
Ireto ny anarana ahalalana azy ireo amin' ny teny malagasy: ahibary, ahibava, ahidrano, ahilava, famoa, fantaka, farimanga, karanga, osaosa, sarivary, songolo, tsimparifarifotsy, tsimparifarimanga, tsimparifarimanja, tsimparifarimena, tsimparifary, tsiparifary, veromena, verotsanga.