Niger (ony)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Niger, na Djoliba amin’ ny teny mandinga, dia ony any Afrika Andrefana, fahatelo lava indrindra ao amin' io kôntinenta io (4 180 km), aorian' i Nily sy i Congo. Mahatratra 2 117 700 km2 ny sahan-dranony. Miakatra eo anelanelan' i Siera Leôna sy i Ginea amin' ny haavo 800 m eo am-pototr' ireo tendrombohitra Tingi izy io, ka, aorian' ny fihodinana lehibe amin' ny sisin-tanin' i Sahara Andrefana, dia mivarina mankany amin' ny Ranomasimbe Atlantika, any Nizerià. Miampita na manamorona firenena enina (Siera Leôna, Ginea, Maly, Nizera, Benîno ary Nizerià) ny lalan' io ony io, ary avy amin’ ny anarany ny anaran' ny firenena roa Nizera sy Nizerià.