![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a1/Evening%252C_Nile_River%252C_Uganda.jpg/640px-Evening%252C_Nile_River%252C_Uganda.jpg&w=640&q=50)
Nily
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Nily na Neily dia onin' i Afrika Atsinanana. Izy no ony lava indrindra maneran-tany. Miala avy eo amin' ny Farihy Victoria ao Afrika Afovoany ka mikoriana mianavaratra ny ony Nily, mamakivaky an' i Oganda sy an' i Sodàna sy an' i Egipta ary farany mivarina any amin' ny Ranomasina Mediteranea. Mahatratra 5 584 km ny halavany raha avy eo amin' ny Farihy Victoria fa 6 605 km kosa raha atohy amin' ny renirano Luvironza any Borondy. Ny lemaka tondrahany dia mirefy 3 350 000 km2. Mirefy 3 000 m3/s ny salam-pikorianany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a1/Evening%2C_Nile_River%2C_Uganda.jpg/640px-Evening%2C_Nile_River%2C_Uganda.jpg)