Ny Filazantsaraarakaan' iLioka, na VaovaoMahafalyarakaan' iLioka, na Evanjelyarakaan' iMasindahyLioka dia fahatelo amin' ny Filazantsara na Evanjely ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly. Sahala amin' ny mpanoratra ny Vaovao Mahafaly araka an' i Matio dia mitantara koa ny amin' ilay fahaterahan' ny Mpamonjy ity Evanjely fahatelo ity: "fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan' i Davida, dia Kristy Tompo." (Lio. 2.11) izay manambara sahady ny antony niavian' i Jesoa ety an-tany.
Porofoin' i Jesoa amin' ny alalan' ireo fanasitranana maro ara-batana sy ara-panahy nataony ny maha marina ny asany: "Fa efa tonga ny Zanak' olona hitady sy hamonjy ny very" (Lio. 19.10). Izany famonjena izany anefa dia tsy maintsy ialohavan' ny hazofijaliana. Manomboka eo amin' ny toko faha-9 dia efa mitombo ny fanoherana an' i Jesoa izay tonga amin' ny fara tampony tamin' ny famantsihana azy tamin' ny hazofijaliana (toko faha-22 sy 23). Taorian'ny fitsanganan' i Jesosy tamin' ny maty dia naniraka ny mpianany izy hanambara amin' ny olombelona rehetra fa izy no Mpamonjy.
Isan' ireo Filazantsara sinôptika ny Vaovao Mahafaly araka an' i Lioka. Teo anelanelan' ny taona 70 sy 100 no mety nanoratana azy. Misy toko 24 ity boky ity.
Ny hoe Filazantsara araka an' i Lioka, na Evanjely araka an' i Lioka, dia fanagasiana ny teny grika hoe Kατὰ Λουκᾶν εὐαγγέλιον izay vakina hoe Kata Loukân euangélion. Amin' ny teny latina dia Evangelium secundum Lucam no iantsoana azy.
Ny Katôlika malagasy dia manoratra hoe Evanjely araka an' i Masindahy Lioka na Evanjely nosoratan' i Masindahy Lioka. Ny Prôtestanta malagasy kosa manao hoe Filazantsara araka an' i Lioka na Filazantsara nosoratan' i Lioka. Atao hoe Vaovao Mahafaly araka an' i Lioka na Vaovao Mahafaly nosoratan' i Lioka koa ny Evanjely fahatelo. Araka ny lovantsofina kristiana dia i Lioka no nanoratra io Filazantsara io.
Mpanoratra
Ny lovantsofina kristiana dia milaza fa i Lioka no nanoratra ny Filazantsara mitondra ny anarany.
Fotoana nanoratana
Teo anelanelan' ny taona 70 sy 100 no mety nanoratana Filazantsara araka an' i Lioka.
Nosoratana ho an' ny Jentilisa (na Jentily), izany hoe ny vahoaka tsy Jiosy (tsy Jody) ny Filazantsaran' i Lioka, ka izany no isian' ny fifanahafan' ny fomba filazany sy fampianarany amin' ny an' i Paoly. Toa an' i Paoly, manantitra ny maha an' ny olon-drehetra tsy anavahana firenena ny famonjena i Lioka. Tian' ny mpanoratra hiantefa amin' ny olon-drehetra ny hafatra ao amin' ny Evanjelin' i Lioka raha oharina amin' ny an' i Matio sy ny an' i Marka, ka mametraka ny tena sy ny asan' i Jesoa ao amin' ny tantaran' izao tontolo izao fa tsy an' ny Jiosy irery ihany. Ny tetiaran' i Jesoa dia manantitra ny maha an' ny olon-drehetra an' i Jesoa Kristy. Manantena ny fotoana hitoriana ny tenin' i Jesoa any amin' ny firenena rehetra i Lioka (Lio 24.47). Mampiavaka ny Filazantsaran' i Lioka ny fitakiany ny hanjakan' ny fahamarinana eo amin' ny fiarahamonina, indrindra eo amin' ny mpanana sy ny mahantra, isahiranany koa ireo atao hoe "mpanota" sy ireo voailiky ny fiarahamonina. Farany, tsy nataony ambin-javatra ny vehivavy, ka tsy itovizany amin' ireo Evanjely hafa izany (Lio 7.11-17; 7.36-50; 8.1-3).
Sahala amin' ny an' i Marka ny firafitry ny Filazantsara araka an' i Lioka. Ny maha samy hafa azy dia izao: mivelatra kokoa ny an' i Lioka dia satria misy lahatsoratra fanampiny (Lio. 6.20 – 8.3; 9.51 – 18.14). Araka ny petra-kevitry ny loharano roa, ireo fanampiny ireo dia vokatry ny fanangonana ny resaka nataon' i Jesoa, izay nomena ny anarana nifanarahana hoe "Loharano Q" na "Logia", sy lovantsofina an' ny Lioka manokana, nomena anarana hoe "Loharano L". Fanafohezana ny teny alemàna hoe Quelle izay midika hoe "loharano" ny Q; teny grika midika hoe "teny" ny hoe Logia (grika: λόγια); ary fanafohezana ny hoe Lioka ny hoe L.
Azo zaraina efatra lehibe ny Evanjelin' i Lioka:
Fahaterahana sy fahazazana ary fiomanan' i Jesoa (1.1 - 4.13)
Fahaterahana sy fahazazana (1.1 - 2.51)
Fitarihan-teny (1.1-4)
Filazana mialoha ny hahaterahan' i Joany Batista (1.5-25)
Filazana mialoha ny hahaterahan' i Jesoa (1.26-38)