Fiteny mande
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny mande dia sampana amin' ny fianakaviam-piteny nizera-kôngô. Mpiteny maherin' ny 30 tapitrisa no miteny azy ireo any Borkina Fasô, any Kôtidivoara, any Gambia, any Ginea, any Ginea-Bisao, any Maly ary any Senegaly. Ary vitsy kely ny mpiteny azy ireo any amin' ny tapany avaratra amin' i Benîno, amin' i Liberià ary amin' i Siera Leôna, any atsinanan' i Ginea-Bisao.
Ity fianakaviam-piteny ity dia ahitana indrindra ny fiteny mandinga rehetra, izay fitohizam-piteny ka na dia ireo karazany mifanalavitra indrindra aza dia mbola ahafahan' ny mpiteny ifankahazoana: ny fiteny bambara, ny fiteny diola, ny fiteny maninka atsinanana, ny fiteny maninka any Kita, ny fiteny maninka andrefana, ny fiteny mandinka, ny fiteny kagôrô, sns., ary koa ny hafa toy ny fiteny kpele, ny fiteny sôninke, ny fiteny bôzo, ny fiteny mende, ny fiteny soso, ny fiteny jalônke, ny fiteny samô, sns.