Fetin' ny Trinite
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fetin' ny Trinite na Alahadin' ny Trinite dia fety ankalazana an' Andriamanitra tokana misy persôna telo (Trinite), dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Tao amin' ny Fiangonana voalohany dia tsy nisy fomba fivavahana manokana na andro manokana natokana ho an' ny Trinite Masina. Nefa rehefa niely ny arianisma (izay noheverina ho fampianaran-diso nataon' i Ariosy) dia nanomana fankalazana omban-kira fiderana sy hira ifamaliana, hira mialoha hotononina amin' ny Alahady ny Rain' ny Fiangonana.
Ankalazaina amin' ny Alahady voalohany aorian' ny Pentekôsta ny Fetin' ny Trinite ao amin' ny Fiangonana Tandrefana ary amin' ny Alahadin' ny Pentekôsta kosa ao amin' ny Fiangonana Tatsinanana[1].
Ankalazaina amin' ireo Fiangonana tandrefana rehetra ny Alahadin' ny Trinite, dia ny Fiangonana katôlika ny Fiangonana anglikana[2], ny Fiangonana loterana[3], ny Fiangonana presbiteriana[4], ny Fiangonana Mirain' i Kristy[5] ary ny Fiangonana metôdista[6].