Pentekôsta
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Pentekôsta na Pentekôty dia fety kristiana ahatsiarovana sy ankalazana ny nidinan' ny Fanahy Masina tamin' ny Apôstôly tamin' ny faha-50 andro aorian' ny nitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty. Amin' ny Alahady fahafito aorian' ny Paska no anatanterahana azy. Io fety io no mamarana ny fetin' ny Paska.