Fiangonana nohavaozina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fiangonana nohavaozina dia fiangonana protestanta vokatry ny Fanavaozam-piangonana tamin' ny taonjato faha-16 izay nandray ny fampianaram-pinoan' ireo mpanavao fiangonana toa an' i Ulrich Zwingli sy indrindra i Jean Calvin. Fiangonana prôtestanta ny Fiangonana nohavaozina. Ampahany amin' ny fampianaran' i Lotera ihany no noraisiny. Tao Eorôpa dia fantatra tamin' ny anarana hoe "Fiangonana kalvinista" ny Fiangonana nohavaozina. Ny mpanoratra sasany amin' ny teny malagasy dia mampiasa ny hoe "Fiangonana réformé" na "Fiangonana reformé" na "Fiangonana reforme".