From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Faritra Vakinankaratra dia anisan' ny faritra telo ambin' ny roapolo an' i Madagasikara. Any atsimon' ny Faritanin' Antananarivo no misy azy, eo anivon' ny Nosy. Ny renivohiny dia Antsirabe.
Faritra Vakinankaratra
| |||
Fianarana no lova tsara | |||
Firenena | Madagasikara | ||
Faritany | Antananarivo | ||
Renivohi-paritra | Antsirabe | ||
Distrika | 7 | ||
Lehiben'ny faritra | Andriamasimanana Samuel Bertin | ||
Fianarana no lova tsara | |||
Velarantany | 16 599 km2 | ||
Isam-ponina | 1 803 307 mpo. | ||
Hakitroky ny mponina | 108,64 mpo/km2 | ||
Fianarana no lova tsara | |||
Laharam-pehintany | ----- | ||
Laharan-jarahasina | ----- | ||
Ny fanjakana Vakinankaratra, fantatra amin' ny anarana hoe ny Fanjakan' Andrantsay dia voaforon' Andrianony tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-17, Andrantsay dia andriana avy any Alasora, any atsimon' Antananarivo. Nandritry ny ela, ny fanjakan' Andrantsay dia any Fivavahana, any amin' ny faritanin' i Betafo. Ny anara-mponina nentiny tamin' izany fotoana izany dia "Betsileo", anarana ho entin' ny mifanila aminy any atsimo. Ny tampon-tanjaky ny Fanjakan' Andrantsay dia mety tany amin' ny taonjato faha-18 tany ho any. Ny fianjadiany dia nivelatra hatrany Menabe Sakalava, nihetsika noho ny fihetsehan' ny andriany ny mponina. Ny mpanjaka lehibe an' Andrantsay dia Andriamanalinarivo, teo an-tseza tamin' Andrianampoinimerina, miaraka amin' ny andriana Radama nanomboka ny ady tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-19. Hatrizay, ao amin' ny Fanjakana merina ny fanjakan' Andrantsay, ary Vakinankaratra no anarany vaovao. Isan' Imerina enin-toko izy nanomboka tamin' Andrianampoinimerina (1787-1810), ka ny fizaràna dimy hafa Avaradrano, i Vakinisisaony, i Marovatana, Ambodirano, ary i Vonizongo.
Tamin' ny andron' ny fanjanahantany, nafindra tany Antsirabe ny renilaka, lasa tanàna manan-danja fantatra amin' ny hatsiaka ny toe-taniny sy ny toetran' ny ranony.
Ny faritra Vakinankaratra dia voazara kaominina 26 sy distrika enina :
Faritany sy faritra eto Madagasikara:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.