From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny faritra eto Madagasikara dia fizaràna ny tanim-pirenena malagasy, izay neritreretin' ny mpamolavola ny lalàmpanorenana sy ny lalàna fehizoro momba izany ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, lehibe noho ny kaominina sy kely noho ny faritany, sady fari-piadidiana ara-pitantanan-draharaham-panjakana, izay miisa dimy amby roapolo (raha roa amby roapolo izany tamin' ny fiantombohany).
Ireo no lasa fizaràna voalohany ny tanim-pirenena malagasy tamin' ny fanafoanana ny maha vondrom-paritra ny faritany enina tamin' ny volana Ôktôbra 2009 ary ny namoronana ny faritra eto Madagasikara tamin' ny alalan' ny lalàna faha-2004-001. Tamin' ny fanovana ny lalàmpanorenana tamin' ny taona 2010 dia lasa fizaràna ao amin' ny faritany, izay naverina ho vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, indray ny faritra. Ny lalàna faha-2014-020 tamin' ny taona 2014 dia nilazalaza amin' ny antsipiriany ny amin' ny vondrom-paritra misy eto Madagasikara (ny faritany sy ny faritra ary ny kaominina). Araka ny lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sady faritra ara-pitantanan-draharaham-panjakana ao amin' ny sehatry ny fanapariaham-pahefana ny faritra satria mifehy koa ny lehiben' ny distrika sy ny lehiben' ny sampan-draharaham-panjakana ny lehiben' ny faritra.
Araka ny voalazan' ny lalàmpanorenana malagasy sy ny lalàna fehizoro momba ny vondrom-paritra na ny faritra manokana eto Madagasikara dia misy fahefana roa ny ao amin' ny fitantanana ny faritra, dia ny Filankevitra sy ny Birao mpanatanteraka. Ny Filankevitra ao amin' ny faritra dia tokony ahitana mpanolotsaina voafidy izay tarihin' ny filoha nofidin' izy ireo, fa ny Birao mpanatanteraka kosa dia tarihin' ny lehiben' ny faritra izay olom-boafidy ihany koa sady misolo tena ny Governemanta eo amin' ny faritra iadidiany.
Tsy tanteraka hatrany ny voalazan' ny lalàmpanorenana na ny lalàna fehizoro tandrify izany, hatramin' ny namoronana ny faritra, ny amin' ny tokony hifidianana ny lehiben' ny faritra. Ankehitriny dia tendren' ny filohan' ny Repoblika mivantana ny lehiben' ny faritra izay atao hoe governora ankehitriny. Tsy voatsangana ny filankevi-paritra izay tokony hisahana ny fanapahan-kevitra sy handany ny tetibola ary hanaramaso ny asan' ny Birao mpanatanteraka. Ny kaominina ihany ankehitriny no mahafeno ny fepetra araka ny lalàna maha vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy.
Toy izao ny fitsinjaran' ireo faritra ireo isam-paritany:
Misy faritra roa ny ao amin'ny Faritanin' Antsiranana, ka ireto avy izy ireo:
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' i Mahajanga, ka ireto avy izy ireo:
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' Antananarivo, ka ireto avy izy ireo:
Misy faritra telo ny ao amin' ny Faritanin' i Toamasina, ka ireto avy izy ireo:
Misy faritra dimy ny ao amin' ny Faritanin' i Fianarantsoa, ka ireto avy izy ireo:
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' i Toliara, ka ireto avy izy ireo:
Laharana amin'ny sarintany |
Anarana |
Velarantany (km²) |
Isam-ponina (faminavinana 2004) |
Hakitroky ny mponina |
Renvohitra |
---|---|---|---|---|---|
1 | Diana | 19 266 | 485 800 | 25,2 | Antsiranana |
2 | Sava | 25 518 | 805 300 | 31,6 | Sambava |
3 | Itasy | 6 993 | 643 000 | 91,9 | Miarinarivo |
4 | Analamanga | 16 911 | 2 811 500 | 166,3 | Antananarivo-Renivohitra |
5 | Vakinankaratra | 16 599 | 1 589 800 | 95,8 | Antsirabe I |
6 | Bongolava | 16 688 | 326 600 | 19,6 | Tsiroanomandidy |
7 | Sofia | 50 100 | 940 800 | 18,8 | Antsohihy |
8 | Boeny | 31 046 | 543 200 | 17,5 | Mahajanga I |
9 | Betsiboka | 30 025 | 236 500 | 7,9 | Maevatanana |
10 | Melaky | 38 852 | 175 500 | 4,5 | Maintirano |
11 | Alaotra-Mangoro | 31 948 | 877 700 | 27,5 | Ambatondrazaka |
12 | Atsinanana | 21 934 | 1 117 100 | 50,9 | Toamasina I |
13 | Analanjirofo | 21 930 | 860 800 | 39,3 | Fenoarivo Atsinanana |
14 | Amoron'i Mania | 16 141 | 693 200 | 42,9 | Ambositra |
15 | Matsiatra Ambony | 21 080 | 1 128 900 | 53,5 | Fianarantsoa I |
16 | Vatovavy-Fitovinany | 19 605 | 1 097 700 | 56,0 | Manakara |
17 | Atsimo-Atsinanana | 18 863 | 621 200 | 32,9 | Farafangana |
18 | Ihorombe | 26 391 | 189 200 | 7,2 | Ihosy |
19 | Menabe | 46 121 | 390 800 | 8,5 | Morondava |
20 | Atsimo-Andrefana | 66 236 | 1 018 500 | 15,4 | Toliara I |
21 | Androy | 19 317 | 476 600 | 24,7 | Ambovombe |
22 | Anosy | 25 731 | 544 200 | 21,1 | Taolagnaro |
Natao tamin' ny 16 Martsa 2008 ny fifidianana ny filan-kevitry ny faritra voalohany.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.