![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/ae/Detailed_SVG_map_of_the_Hispanophone_world.svg/langmg-640px-Detailed_SVG_map_of_the_Hispanophone_world.svg.png&w=640&q=50)
Fiteny espaniôla
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny espaniôla, na koa fiteny kastilianina, dia fiteny iray ao Eorôpa. Io fiteny io dia ao amin’ ny vondrona rômana, ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeanina. Miaraka amin’ ny fiteny frantsay sy italianina ary pôrtogey, io fiteny io no anisan’ ny fiteny nisampana avy amin' ny fiteny latina, fiteny taloha nampiasaina manerana an’ i Eorôpa sy i Azia Andrefana amin' ny fifandraisana.
![]() |
Mbola ambangovangony amin'ny resaka fiteny ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. |
Espaniola, Espaniôla, Española Español | |
Isan'ny mpiteny | mahery ny 400 tapitrisa |
Faritany | ![]() |
Sata | Teny ôfisialin' ny Firenena Mikambana |
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/ae/Detailed_SVG_map_of_the_Hispanophone_world.svg/320px-Detailed_SVG_map_of_the_Hispanophone_world.svg.png)
Manga mazava: firenena na faritany misy olona miteny espaniôla, fa tsy ôfisialy any ilay fiteny
Ny fiteny espaniôla dia avy amin’ ny fiteny latina, ary niavaka tamin’ ilay fiteny latina ny fiteny espaniôla taloha nanomboka tamin’ ny taonjato faha-9, noho ny havitsian’ ny fifandraisana tamin’ ny Andro Antenatenany. Ao amin’ ny faritra afovoan’ i Espaina no niavian’ ny fiteny kastilianina ankehitriny. Ary tsy io irery no fiteny notenenina ao amin’ ny Saikanosy Iberika nanomboka tamin’ ny fisarahany tamin’ ny fiteny latina hatramin’ izao fotoana izao: ao ny fiteny pôrtogey, izay tenenina any Pôrtogaly sy any Brazila, ao ny fiteny katalàna, izay tenenina any Katalônia, manan-drenivohitra an' i Barselôna, ao ny fiteny eoskarata izay tenenina any amin’ ny farany andrefan’ i Pirenea, ao koa ny fiteny galisiana izay anisan’ ny fiteny niavian’ ny fiteny pôrtogey any Galisia.
Ankehitriny ny fiteny espaniôla dia anisan’ ny fiteny ôfisialin’ ny Firenena Mikambana miaraka amin’ ny fiteny frantsay, anglisy, sinoa ary rosiana. Any ivelan’ i Espaina, io no fiteny ôfisialin’ ny firenena ao Amerika Afovoany ary amin’ ny faritra andrefana amin’ i Amerika Atsimo. Ny isan’ ny mpiteny espaniôla manerana izao tontolo izao, raha isaina ny olona mianatra azy nefa tsy nobeazina tamin' ilay fiteny, dia eo amin’ ny 600 tapitrisa eo ho eo no isan’ ireo olona mahazo azy na miteny azy