Amerika Atsimo
kontinenta / From Wikipedia, the free encyclopedia
I Amerika Atsimo dia kôntinenta na zana-kôntinenta sady ampahany atsimo amin' i Amerika. Ao amin' ny ila-bolantany andrefana tanteraka, ary indrindra ao amin' ny ila-bolantany atsimo no misy azy. Ny Ôseana Pasifika no mamaritra azy ao andrefana, ny Ôseana Atlantika no ao avarany sy ao atsinanany. I Amerika Afovoany, izay mampitohy azy amin' i Amerika Avaratra, sy ireo nosy Karaiba dia ao avaratra-andrefany. Ny fiteny pôrtogey sy ny fiteny espaniôla no fitenin' ny olona maro indrindra ao Amerika Atsimo.
Manana velaran-tany mirefy 17 840 000 km2 i Amerika Atsimo, ka 11,9 %n' ny velaran-tany tsy rakotry ny ranomasina eto amn' ny Tany izany. Tamin' ny taona 2015 dia nisy mponina miisa 410 tapitrisa, izay atao hoe Amerika Tatsimo, ny ao Amerika Atsimo. Kôntinenta fahaefatra i Amerika Atsimo raha ny velaran-tany no heverina, ka i Azia sy i Afrika ary i Amerika Avaratra no eo alohany. Laharana fahadimy izy amin' ny isan' ny mponina ka i Azia sy i Afrika sy i Eorôpa ary i Amerika Avaratra no eo alohany.
Misy firenena mahaleo tena miisa 12 ny ao Amerika Atsimo, dia i Arjentina, i Bôlivia, i Brezila, i Silý, i Kôlômbia, i Ekoadôra, i Goiana, i Paragoay, i Però, i Sorinama, i Orogoay ary i Venezoela. Misy faritanim-pirenana hafa koa ao toa ireo nosy Malouines (Fanjakana Mitambatra) sy i Goiana Frantsay ary i Jeôrjia sy ireo nosy Sandwich (Fanjakana Mitambatra).