![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/05/Flag_of_Brazil.svg/langmg-640px-Flag_of_Brazil.svg.png&w=640&q=50)
Brezila
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Brezila na Brezily (Brasil amin' ny teny pôrtogey), na Repoblika Federalin' i Brezila, dia firenena ngeza indrindra sy mivelatra indrindra any Amerika Latina. I Brasilia no renivohiny. Manana velarantany mirefy 8 547 400 km² sy mponina maherin' ny 190 tapitrisa izy, ka mahatonga azy ho firenena fahadimy amin' ny lafiny velarantany sy amin' ny lafiny isan' ny mponina. Azy ny antsasaky ny velaran' i Amerika Atsimo ary mizara sisin-tany amin' ny firenena rehetra ao Amerika Atsimo afa-tsy i Silia sy ny Ekoadôra izy.
((pt)) | |||||
((pt)) | |||||
Repoblika Federalin'i Brezila ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Ordem e Progresso Malagasy : « Fandriam-pahalemana sy Fandrosoana » | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | fiteny Portogey | ||||
Renivohitra | Brasília | ||||
Tanàna ngeza indrindra | São Paulo, Rio de Janeiro | ||||
Fitondrana sy governemanta - filoha |
Repoblika federaly Luiz Inácio Lula da Silva | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 5 8 547 877(IBGE) km² 0,65 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2009) - hakitroka |
faha 5 191 043 661 mpo. 21,6 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Brezilianina | ||||
IDH (2007) | ▲ 0,807 (ambony) faha 70 | ||||
Sandam-bola | Real (BRL ) | ||||
Faritr'ora | UTC -2 hatramin'i -4 | ||||
Hiram-pirenena | Hino Nacional Brasileiro | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+55 |
Ny Brezila no zanatany pôrtogey voalohany mandritry ny taonjato maro, ankehitriny, io irery no lovan' ny Pôrtogaly any Amerika, amin' ny fisehon' ny kolontsaina sy ny teny ôfisialy, ny teny pôrtogey.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3e/Mapa_do_Brasil_%28OCHA%29.svg/220px-Mapa_do_Brasil_%28OCHA%29.svg.png)
Firenena katôlika sy miteny pôrtogey ngeza indrindra, mpikambana ao amin' ny CPLP izy. Ny fiteny pôrtogey dia teny voalohany any Amerika Atsimo noho ny demôgrafia brezilianina.
Mizara roa ny vohon-tanin' i Brezila: ny lembalemba breziliana sy ny faritanin-dranon' i Amazôna (ilay ony lava indrindra eto an-tany mirefy 6 400 km). Ny faritr' i Amazônia no mandrakotra ny 60 %n' ny tanin' i Brezila ka ny ala ao aminy dia ahitana karazan-javamaniry maro indrindra eto an-tany (miisa 1,5 tapitrisa ny karazan-javamaniry hita ao).
Isan-karazany ny mponina ao Brezila: hita ao ny fotsy hoditra manam-piaviana eorôpeana (55 %), ny safiotra manam-piaviana eorôpena sy mainty hoditra (22 %), ny safiotra manam-piaviana eorôpeana sy amerindiana (12 %), ny mainty hoditra (11 %) ary ny Amerindiana (0,1 %). Tamin' ny taona 1960 dia nafindra any Rio de Janeiro ny renivohi-pirenena ba hanomezana lanja indray ny any avovoan-tany.
Tamin' ny taona 2008 i Brezila dia firenena faha-11 ara-toekarena izay manana harin-karena faobe 1 572 839 Md USD, ao aorian' i Espaina na 2,42 %-n' ny harin-karena faoben' izao tontolo izao.
I Brezily no firenena voalohany maneran-tany mpamokatra kafe betsaka indrindra sady manana harena an-kibon' ny tany be dia be. Loharanon-karen' i Brezila koa ny alan' i Amazônia; miteraka fanimbana ala be anefa ny fitrandrahana izany tafahoatra ka atahorana hiteraka fikorontanan' ny tontolo iainana (indrindra vokatry ny faharinganan' ny karazan-javamaniry sy karazam-biby maro). I Brezily no firenena matanjaka ara-toekarena indrindra ao Amerika Atsimo nefa lehibe loatra ny tsy fitovian' ny fari-piainan' ny mponina.