![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/84/Espa%25C3%25B1a_y_Portugal.jpg/640px-Espa%25C3%25B1a_y_Portugal.jpg&w=640&q=50)
Saikanosy Iberika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Saikanosy Iberika na Saikanosy Iberiana na Iberia, izay atao hoe Eorôpa Atsimo-Andrefana koa, dia saikanosy any atsimo andrefan' i Eorôpa. Ny firenena sy zanatany ao amin' ny Saikanosy Iberika dia i Pôrtogaly, i Espaina, i Andôra, i Gibraltara ary faritany kely an' i Frantsa Atsimo. Anisan' ny saikanosy telon' i Eorôpa Atsimo ny Saikanosy Iberika ary izy no any andrefana indrindra amin' ireo. Ny Saikanosy Iberika dia voafaritry ny Pirenea any avaratra, ny andilan-dranomasina Gibraltara any atsimo, ny ranomasimbe Atlantika any andrefana ary ny Ranomasina Mediteranea any atsinanana. Manakaiky ny kôntinenta afrikanina ny Saikanosy Iberika any atsimo ary ny andilan-dranomasina Gibraltar fotsiny no manasaraka azy. Ny Saikanosy Iberika dia manana velarantany 582 860 km2, ary izy no saikanosy faharoa any Eorôpa.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/84/Espa%C3%B1a_y_Portugal.jpg/640px-Espa%C3%B1a_y_Portugal.jpg)