![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3b/Central_America_%2528orthographic_projection%2529.svg/langmg-640px-Central_America_%2528orthographic_projection%2529.svg.png&w=640&q=50)
Amerika Afovoany
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Amerika Afovoany dia andilan-tany mampitohy an' i Amerika Avaratra sy i Amerika Atsimo. Ny fahasamihafana misy eo amin'ny sisin-tany ara-jeôgrafia sy ny sisin-tany ara-politika, ary ny tantaran'ny fanjanahan-tany sy ny fisiam-pitoviana sy fahasamihafana ara-kolontsaina ao amlin'io faritra io dia manovaova ny famaritrana an'i Amerika Afovoany arakaraka. Araka ny famaritana azy mahazatra ny maro dia ahitana ireto firenena ireto ny ao Amerika Afovoany: i Goatemala, i Belizy, i Hôndorasy, i Salvadôro, i Nikaragoa, i Kôsta Rika ary i Panama. Azo atambatra amin'ireo tany ireo ny nosy Antilia (ahitana an' i Kioba).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3b/Central_America_%28orthographic_projection%29.svg/320px-Central_America_%28orthographic_projection%29.svg.png)