![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/ab/Flag_of_Panama.svg/langmg-640px-Flag_of_Panama.svg.png&w=640&q=50)
Panamà
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Panamà na Panama dia firenena any amin' ny farany atsimon' i Amerika Afovoany, eo amin' ny andilan-tany (Andilalan-tanin' i Panamà) mampitohy an' i Amerika Atsimo sy Amerika Afovoany. Mizara sisintany amin' i Kôsta Rika sy Kôlômbia izy. Manana velarany mirefy 75 640 km² izy. Ny renivohiny dia i Panamá. Ny anisan' ny mponin' i Panamà dia 3,3 tapitrisa (Desambra 2006).
República de Panamá ((es)) | |||||
Repoblikan' i Panamà ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Pro Mundi Beneficio (Pour le plus grand bien du monde entier) | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | fiteny espaniola | ||||
Renivohitra | Panamá | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Panamá | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha |
Repoblika Juan Carlos Varela | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 115 78 200 km² 2,9% | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 131 3 292 693 mpo. 43 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Panameanina | ||||
IDH (2004) | Mihakatra 0,832 (ambony) faha 58 | ||||
Sandam-bola | Balboa (PAB ) | ||||
Faritr'ora | UTC -5 | ||||
Hiram-pirenena | Himno Istmeño | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+507 |
Lalovan' ny Lakandrano' i Panamà, izay mampitohy ny Ranomasimbe Atlantika amin' ny Ranomasimbe Pasifika i Panamà.
Ny vohon' ny tanin’ ilay firenena dia be tendrombohitra (mamakivaky ilay ny firenena ny tendrombohitra amin' ny sakany, avy any andrefana ka hatrany atsinanana) ary ny faritra misy ala dia andalovan' ny renirano maro izay midina avy any an-tendrombohitra mankany an-dranomasina.
Ny mponina ao Panamà dia samy hafa fiaviana: ao ny Amerindiana, ny Afrikana ary ny Eorôpeana. Katôlika ny ankamaroan' ny Panameana.
Ny loharanon-karena lehibe indrindra ao amin' ilay firenena dia avy amin' ny fampiasana ny Lakandranon' i Panamà, izay nanomboka tamin' ny 1914 dia lalana lehibe ara-barotra eo anelanelan' i Atlantika sy i Pasifika (tsy mila mihodidina an' i Amerika Atsimo).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/81/Pm-map.png/320px-Pm-map.png)
Faritanin' i Kôlômbia Lehibe izy talohan' ny fahaleovantenany tamin' ny taona 1903.