Tempoly Faharoan' i Jerosalema
From Wikipedia, the free encyclopedia
Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Tempoly Faharoan' i Jerosalema eo amin' ny fivavahana jiosy dia ny Tempolin' i Jerosalema naorina tamin' ny taona taona 536 tal. J.K. sady vita tamin' ny taona 515 tal. J.K., taorian' ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna izay nasolo ny Tempoly voalohany (atao hoe Tempolin' i Sôlômôna) noravan' ny Babilôniana tamin' ny taona 586 tal. J.K. Narodan' ny Rômana izany tempoly izany tamin' ny taona 70 taor. J.K.
Amin' ny teny hebreo ity tempoly ity dia atao hoe בֵּית־הַמִּקְדָּשׁ הַשֵּׁנִי Bēṯ / hamMīqdāš hašŠēnī, izay midika hoe "Trano Faharoan' ny Masina".
Ilay Tempoly Voalohany namboarin' ny mpanjaka Sôlômôna tamin' ny taona 957 tal. J.K. dia noravan' i Nebokadnetsara II niaraka amin' i Jerosalema tamin' ny taona 586 tal. J.K. (425 tal. J.K. hoy ny loharano jiosy) sady nentiny ho babo any Babilôna ny ampahany amin' ny mponina tao Jodea tamin' izany fotoana izany.
Araka ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa) dia ny mpanjaka Kirosy Lehibe no nanome alalana ny fanamboarana ny Tempoly faharoa (hebreo: בֵּית־הַמִּקְדָּשׁ הַשֵּׁנִי / Beit HaMikdash HaSheni)) izay nanomboka tamin' ny taona 538 tal. J.K. iray taona taorian' ny faharavan' ny Fanjakana Babilôniana. Ny Tempoly faharoa dia namboarina tamin' ny taona 536 tal. J.K., taona niverenan' ny Jiosy (Jodeana) avy any Babilôna nahababoan' izy ireo. Naorina teo amin' ny toerana nisy ny Tempoly Voalohany ny Tempoly Faharoa. Vita tamin' ny taona 515 tal. J.K. ilay tempoly tamin' ny nanjakan' i Dariôsy Lehibe sy teo ambany fitarihan' i Zôrôbabela, mpanapaka (governora) tamin' izany fotoana izany. Natokana io tempoly io afaka roapolo taona (taona 516 tal. J.K.) taorian' ny fanombohan'ny asa. Naitatr' i Herôda I ilay tempoly tamin' ny taona 19 taor. J.K. ka nomena ny anarana hoe "Tempolin' i Herôda".
Tamin' ny taona 70 taor. J.K. dia narodan' ny Rômana faha Titosy tamin' ny fiafaran' ny ady nifanaovan' ny Jiosy sy ny Rômana ny Tempoly Faharoan' i Jerosalema. Amin' izao dia tsy misy sisa afa-tsy ny rindrim-panohanana ny kianjan' ny tempoly sy ny sisan' ny andohalambo fidirana ao amin' ny kianjan' ny tempoly.
Ny Tempoly faharoa dia mizara telo lehibe: ny Kianjaben' ny Tempoly sy ny Kianjakelin' ny Tempoly ary ny Tranon' ny Tempoly. Raha jerena amin' ny antsipiriany kokoa dia izao no fizaràna hita ao:
Ny ao anatin' ny tranon' ny Tempoly faharoa dia mbola misy ireto fizarana telo ireto:
Ahitana vavahady telo ambin' ny folo ny fidirana ao amin' ny faritry ny Tempoly ka ireto izy ireo:
Mizara roa ny mpisorona, dia ny mpisoronabe sy ny mpisorona tsotra.
Ny mpisoronabe dia anaram-boninahitra nentin' ireo mpisorona tao amin' ny fivavahana israeliana fahiny sy ao amin' ny jodaisma, hatramin' ny nisandratan' ny firenena israelita ka hatramin' ny nadravana ny Tempoly Faharoa tao Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. Tsy maintsy taranak' i Aarôna ny mpisoronabe. Nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa dia anjara asan' ny mpisoronabe ny fisahanana ny maha filohan' ny Sinedriona azy. Ny asan' ny mpisoronabe dia nanjavona niaraka tamin' ny faharavan' ny Tempoly Faharoa. Heverina fa nisy mpisoronabe miisa 18 nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Voalohany ary miisa 60 ny an' ny Tempoly Faharoa. Nanjavona niaraka tamin' ny faharavan' ny Tempoly ny mpisoronabe tamin' ny taona 70 taor. J.K.
Ny mpisorona dia mpitondra fivavahana natokana hanatanteraka ny fanompoana ao amin' ny Tempoly ka olona nofidina avy amin' ny fokon' i Levy tsy taranak' i Aarôna izy ireo. Izy ireo no misahana ny fanaovana sorona, ny fampianarana ny Lalàn' i Mosesy (na Lalàn' i Môizy) amin' ny vahoaka, ny fandaminana ny fotoam-pivavanana ao amin' ny Tempolin' i Jerosalema ary ny fitsofan-drano ny vahoaka. Rehefa rava ny Tempoly Faharoa sy i Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. dia tsy nihavery lanja ny mpisorona ary tsy nisy intsony ny asam-pisoronana eo amin' ny fivavahana jiosy.
Ny Levita tsy mpisorona dia afaka manampy ny mpisorona amin' ny fanaovana raharaha amin' ny toerana sasany ao an-tempoly.
Ny mpanoradalàna tamin' ny voalohany dia ireo mpanao dika mitovy ny bokin' ny Lalàna (Tôrah), nefa niova miandalana ho mpitantsoratry ny tanàna na mpitantsora-panjakana izany taty aoriana. Matetika manao fivoasana ara-bakiteny ny Lalàna sady nampifantoka ny asany tamin' ny fandinihana ny Soratra Masina ny mpanoradalàna. Misy ny mpanoradalàna fariseo sy ny mpanoradalàna sadoseo ka tsy mitovy no matetika mifanohitra ny fomba fanaovany fivoasana ny Lalàna sy ny fitsipika ao amin' ny fivavahana sy fiarahamonina jiosy. Anjara asan' izy ireo dia ny mamaky eo anatrehan' ny vahoaka ny Tanakh sady manazava izany. Taorian' ny faharavan' ny Tempoly Faharoan' i Jerosalema dia ny mpanoradalàna no lasa nitahiry ny fivavahana jiosy.
Ny raby dia mpiandraikitra ny fanompoam-pivavahana sady filoha ara-panahy no mpitarika ara-pivavahana. Tamin' ny voalohany dia anaram-boninahitra nomena ireo mpampianatra ny Lalàna ny teny hoe raby. Ny raby dia sady mpandalina no mpanao fivoasana no mpampianatra ihany koa ny Tôrah. Ny lehilahy ihany no afaka misahana ny asan' ny raby tamin' ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.