I Santa-Kity-sy-Nevisy dia firenena ao Amerika Afovoany, ao amin' ireo nosy Antilia, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Karaîba. Mirefy ny velaran-taniny 261 km2 ary i Basseterre no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Ny faritr' ora dia -4. Nisy mponina miisa 53 821 tao tamin' ny taona 2020. Atao hoe Saint Kitts and Nevis izy amin' ny teny anglisy.

Thumb
Sarin-tanion' i Santa-Kity-sy-Nevisy
Thumb
Sainan' i Santa-Kity-sy-Nevisy
Thumb
Sarin-tany maneho an' i Santa-Kity-sy-Nevisy eo anivon' izao tontolo izao

I Santa-Kity-sy-Nevisy dia fitambaran' ny nosy Saints-Kitts sy ny nosy Nevis. Ireo nosy roa ireo dia avy amin' ny afotroa. Anjakan' ny tendrombohitra anirian-kazo ny tanin' io firenena io. Toetanin-jana-pehin-tany ny toetany ao ka mahatonga ny rotsakorana ho mandavan-taona.

Taranaka afrikana sy eorôpeana ny ankamaroan' ny mponina ao. Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' io firenana io. Mandroso koa ny fizahan-tany. Nahazo ny fahaleoavan-tenany i Santa-Kity-sy-Nevisy tamin' ny taona 1983. Mpikambana ao amnin' ny Commonwealth io firenena io. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.