Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Rafaela na Rafaely dia iray amin’ ireo anjely atao hoe arkanjely ao amin’ ny fivavahana jiosy sy kristiana ary silamo. Anjely mpiambina sy mpanasitrana izy ho an' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa. Ny boky deoterôkanônika sy apôkrifan' ny Baiboly no miresaka ny aminy. Aseho miaraka amin’ ny andiana mpanao fivahiniana masina koa izy amin’ ny maha ajely mpiambina azy.
Amin’ ny fiteny hebreo, i Rafaela dia atao hoe רָפָאֵל / Rāfāʾēl na Refāʾēl, izay midika hoe “manasitrana Andriamanitra”.
Ny Baiboly hebreo (Tanakh) dia tsy ahitana firesahana momba an’ io anjely io. Ireo soratra deoterôkanônika na apôkrifa no miresaka ny aminy. Ny Torah (boky dimy voalohany ao amin’ ny Baiboly) dia tsy milaza anaran’ anjely. Araka an’ i Shimon ben Lakish (taona 230-270) dia ny Jiosy avy tany am-pahababoana any Babilôna no nampiditra anaran’ anjely tao amin’ ny bokim-pivavahany. Miseho ao amin’ ny boky apôkrifa jiosy maro i Rafaela, indrindra ao amin’ ny Bokin’ i Henôka.
Tahaka ny anjely Mikaela sy Gabriela ary Oriela, i Rafaela dia voaresaka ao amin’ ny Bokin’ i Henôka (Hen. 10.4-6).[1] I Azazela (עֲזָאזֵל /‘Azazel) dia anaran’ anjely ratsy nazera avy tany an-danitra ka nampianatra ny olombelona hanefy fitaovam-piadiana. I Dodaela (heb.: דּוּדָאֵל / Dudael) kosa dia heverina araka ny lovantsofina fa lavaka any ambanin’ ny tany ao atsinanan’ i Jerosalema izay anagadrana ny anjely ratsy rehetra.
Ny Baiboly prôtestanta dia tsy ahitana firesahana momba an’ io anjely io. Ny soratra deoterôkanônika na apôkrifa no miresaka ny aminy. Miseho ao amin’ ny Bokin’ i Tôbia (boky deoterôkanônika) i Rafaela. Ny bokin' ny Olomasin’ ny Andro Farany, dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana koa dia miresaka an’ i Rafaela.
Araka ny Bokin’ i Tôbia, i Rafaela dia iray amin’ ireo anjely fito mijoro eo anatrehan’ ny voninahitr’ Andriamanitra (Tôbia 12.15).[2] Eo amin’ ity andalan-tsoratr' ity boky ity no anorenan’ ny fivavahana katôlika ny fanompoam-pivavahana atao amin’ ny arkanjely.
Tantaraina ao amin' ny Bokin' i Tôbia fa nirahin’ Andriamanitra hiaraka amin’ i Tôbia tamin’ ny diany niaraka amin-drainy jamba, dia i Tôbita, i Rafaely mba hanasitranana izany masony izany. Nampahalalain’ i Rafaely an’ i Tôbia ny herin’ ny trondro iray izay manana afero manasitrana ny areti-maso. Nambarany azy koa fa ny fo sy ny aty dia mana hery handroaka ny demony.
Voatantara koa fa afaka nanambady an’ i Sarà -- izay mijaly noho ny vadiny fito nifandimby novonoin’ ny demony atao hoe Asmôdea (izay anjelin’ ny fahafinaretana maloto) -- i Tôbia rehefa nanaraka ny torohevitr’ i Rafaely.
Ho an’ ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa dia anjely mpiambina ny mpandeha lavitra na an-tanety na an-dranomasina na ana habakabaka i Rafaely. Ny fanajana azy dia neken’ ny papa Zakaria tamin’ ny Kônsily natao tao Rôma tamin’ ny taona 745. Heverina ho i Rafaely ilay anjely manasitrana amin’ ny alalan’ ny fanetsehany ny ranon’ ny farihin’ i Betesda (na Betzatà) voalaza ao amin’ ny Filazantsara araka an' i Joany (Joa. 5.1-4).[3]
I Rafaela dia voaresaka ao amin’ ny bokin’ ny Olomasin’ ny Andro Farany (môrmônisma) atao hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (Doctrine and Convenants, amin’ ny teny anglisy) izay anisan’ ny boky fanorenam-pinoana ankoatra ny Baiboly sy ny Bokin’ i Môrmôna. Io anjely io koa dia voalaza ho anisan' ny anjelin’ ny Tompo niaraka tamin’ ny anjely hafa toa an’ i Gabriela sy i Mikaela izay nanao ny hiverenan' ny Filazantsara na ny Vaovao mahafaly amin’ ny tokony ho izy indray amin’ izao andro farany izao.
Anjely fahefatra ao amin’ ny finoana silamo i Rafaela raha ny lanjany no jerena.
Ao amin' ny Kor'any, i Rafaela dia atao hoe Israfila (arabo: اسرافيل / Israfil). Hita mazava ao amin’ io boky masina io izy, indrindra fa ao amin’ ny soràta 39.68.
Araka ny lovantsofina mozilmana dia manana anjara asa miavaka i Rafaela satria izy no anjely hitsoka trômpetra intelo mba hampandre ny Fitsarana farany. Hitsoka trômpetra voalohany izy fotoana fohy alohan’ ny fandravana an’ izao tontolo izao sy ny fahafatesan’ ny zavaboary izay handre an’ izany. Hitsoka trômpetra fanindroany izy mba hamohazana ny maty rehetra amin’ ny andron’ ny fitsanganan-ko velona. Hotsofiny fanintelony ny trômpetra amin’ ny fanombohan’ ny fitsarana farany.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.