From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jonô dia andriamanibavy rômana tamn' ny Andro Taloha, mpiaro sy mpanolo-tsaina manokan' ny fanjakana. Atao hoe Iuno izy amin' ny teny latina. Nampitovina tamin' i Hera (Ἥρα / Hḗrā), mpanjakavavin' ny andriamanitra tao amin' ny fedrà grika izy ary andriamanibavin' ny fitiavana sy ny fanambadiana. Zanakavavin' i Satiorna sy i Ôpsa (Ops) izy sady anabavin' i Jopitera ary renin' i Marsa, i Volkano, i Belôna (Bellona), i Lokina (Lucina) ary i Joventasy (Juventas). Toa an' i Hera, ny biby masiny dia ny vorombola. Ny andriamanibavy etroska nampitovina aminy dia i Uni, ary voalaza fa niambina ny vehivavy tao Rôma koa izy. Amin' ny maha andriamanibavin' i Rôma sy ny Empira Rômana azy, i Jonô dia nantsoina hoe Regina ("Mpanjakavavy") ary mpikambana tao amin' ny Trias Capitolina (Triada Kapitôlina) (Juno Capitolina), miorina eo amin' ny Havoanan' i Capitoline any Rôma, ary anisan' izany i Jopitera sy i Minerva (Minerva), andriamanibavin' ny fahendrena.
Hita amin' ny fomba fiakanjoany ny toetra mpiady ananan' i Jonô teo amin' ny Rômana. Matetika izy no aseho mitam-piadiana sy manao akanjo hoditr' osy. Ny fanehoana an-tsary nentim-paharazana momba an' io lafiny tia ady io dia vokatry ny fampitoviana azy amin' ny andriamanibavy grika Atena (Athena), izay nitondra hoditr' osy, na ampinga hoditr' osy, antsoina hoe Aegis (grika: αἰγίς / aigís). Naseho ho manao diadema koa i Jonô.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.