From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny matematika dia valam-pahaizana teôrika, amin' ny alalan' ny fizohian-kevitra lôjika aorina amina voa-kevitra toy ny isa, ny endrika, ny rafitra ary ny voatra. Miavaka amin' ny siansa hafa ny matematika amin' ny fijereny manokana amin' ny zava-misy. Ara-tsaina be mihintsy ny matematika.
Azo sokajiana araka ny antokony ny matematika, tahaka ny fanadihadiana, ny aljebra, ny jeômetria, ny vina. Ao koa ny fanasokajiana ny matematika ho matematika ranoray sy matematika ampiharina. Na dia tsy fantatra mazava aza ny efitra manasaraka azy roa, heverina ho matematika ranoray ny matematika izay tsy ikendrena fampiharana mivantana eo amin' ny fiarahamonina, tahaka ny teôrian' ny isa, ny tôpôlôjia aljebrika, ny teôria kategôria. Matematika ampiharina kosa ny statistika, ny siansan-drindra na data science, ny biômatematika, sns. Misy fiantraika mafy ny matematika amin' ny sampam-pahaizana tahaka ny siansan' ny zavaboary, ny injenieria, ny fitsaboana, ny famatsiam-bola, ny kajimirindra.
Ny matematika dia mikirakira zavatra tsy azo tsapain-tanana ary mampiasa fisainan-tsoa-kevitra, na ilay antsoina hoe deductive reasoning, arahim-porofo mampiseho fihenjanan-tsaina; i Eoklida, mpahay matematika grika tao Alekandria no heverina fa namaky sehatra amin' izany fisainana izany[1]. Ny fisainan-tsoa-kevitra dia mametraka famaritana, ankin-kevitra, tolo-kevitra, raikitra, izany hoe tolo-kevitra voaporofo fa marina.
Mety efa nampivelatra ny fahefany amin' ny matematika ny olombelona talohan' ny fisian' ny fanoratana. Hita tany Ishango (ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô) tany fa efa nanana fahefana ara-matematika ny olombelona, efa 20 000 taona izay[2].
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.