Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Pitagôra dia mpanitsy fivavahana sy filôzôfa presôkratika tao Grisia tamin' ny Andro Taloha izay mety teraka tokony tamin' ny taona 580 tal. J.K. tao Samôsy, izay nosy ao amin' ny Ranomasina Egea ao atsimon' i tanànan' i Atenay. Tamin' ny taona 495 tal. J.K no heverina fa nahafatesany tamin' ny faha-85 taonany. Matematisiana sy mpahay siansa koa izy araka ny lovantsofina taty aoriana.
Atao hoe Πυθαγόρας / Pythagóras ny anarany amin' ny teny grika, anarana azo rasaina hoe Pyth-agoras izay mlidika hoe "nolazain' ny Pitia mialoha" tamin' ny nanambaràn' ny rainy ny hahaterahany raha nandeha tany tany Delfôy (na Delfa) ny rainy. I Pitia dia
Ny fiainan' i Pitagôra izay feno zava-miafina dia tsy ahafahana manazava firy ny tantarany. Malaza ho mpanao fahagagana koa izy. Tsy mba namela soratra izy ary ireo tononkalo misy andalana 71 izay lazaina fa nosoratany dia tsy marina fa apôkrifa ka manambara ny fivoarana goavan' ny angano momba azy.
Ny neôpitagôrisma anefa dia ahitana famelabelarana ny fanan' ny isa heviny ara-panahy, izay efa hita tao amin' ny fisain' i Pitagôra. I Herôdôtesy (na Herôdôta) dia milaza azy ho "iray amin' ireo olona lalim-pandinihana tao Grisia, i Pitagôra olon-kendry". Araka an' i Heraklida avy any Pônto dia olona voalohany nilaza ny tenany ho "filôzôfa" i Pitagôra. I Siserôna kosa dia nitaitra ilay fitantarana nilaza fa i Pitagôra no namorona ny teny hoe filôzôfa (grika: φιλόσοφος / philosophos) izay midika ara-bakiteny hoe "mpitia fahendrena".
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.