Haitỳ
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Haitỳ, na Repoblikan' i Haitỳ, dia firenena ao Amerika Afovoany, ao amin' ireo nosy Antilia. I Port-au-Prince no renivohiny. Mirefy 27 750 km² ny velaran-taniny ary nisy mponina miisa 11 067 777 tao tamin' ny taona 2020.
Repiblik Ayiti ((ht)) | |||||
Repoblikan'i Haitỳ ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : L'union fait la force' | |||||
Teny ofisialy | fiteny frantsay , kreôly haisianina | ||||
Renivohitra | Port-au-Prince 18°32′21″N 72°20′11″W | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Port-au-Prince | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiministra |
Repoblika Claude Joseph Ariel Henry | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 142 27 750 km² 1,9 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 89 9 776 206 mpo. 352,3 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Haisianina | ||||
Sandam-bola | Gorda (HTG ) | ||||
Faritr'ora | UTC -5 | ||||
Hiram-pirenena | La Dessalinienne | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+509 |
Ao amin' ny ampahany andrefana amin' ny nosy Haiti (na Hispaniola) no misy ity firenena ity, ao amin' ny iray ampahatelon' izany nosy izany. Ny ampahany sisa dia an' ny Repoblika Dôminikana.
Anjakan' ny tendrombohitra ny vohon' ny tanin' i Haity, ary toetanin-jana-pehin-tany ny toetaniny. Ao amin' ny tapany atsimony no misy morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Karaîba. Lasibatry ny rivodoza matetika ity faritra atsimo ity.
Ny ankamaroan' ny mponina ao Haity dia tarakana andevo mainty hoditra avy aty Afrika. Miaina amin' ny fambolena any ambanivohitra ny ankamaroan' ny mponina. Anisan' ireo firenena mahantra indrindra eto amin' izao tontolo izao i Haity. Tsy ampy ny loharanon-karena voajanahary ao aminy.
Tamin' ny taona 1804 nonanambaràny ny fahaleovan-tenany nefa tamin' ny taona 1825 vao neken' ny Frantsay izany.
Lasa repoblika mainty manam-pahaleovantena voalohany izy taorian' ny tolom-piavotana haisianina (1791-1803) izay nanala ny tafik' i Napoleon Bonaparte. I Haitỳ irery no firenena miteny frantsay manam-pahaleovantena any Karaîba.
Any amin' ny tapany andrefan' ny nosy Hispaniola i Haitỳ, faharoa amin' ny nosy ngeza indrindra any amin' ireo nosy Antilia. Fahatelo amin' ny firenena ngeza indrindra ao amin' ireo Antilia ny i Haitỳ, eo aorian' ny Repoblika Dôminikana sy i Kioba. Tendrombohitra fotsiny ny ankabeazan' ny tany any Haitỳ. Ny nosy hafa an' i Haitỳ koa dia:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.