Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Evanjely araka an' i Joany na Filazantsara araka an' i Jaona dia evanjely na filazantsara fahefatra ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana. Tsy anisan' ny evanjely sinôptika telo ity evanjely ity ka miavaka tanteraka amin' ireo telo voalohany ireo, dia ny Matio, ny Marka ary ny Lioka. Misy toko 21 ity boky ity.
Ireto koa ny anarana iantsoana io evanjely io:
Mirakitra fitantarana momba ny fanompoana nataon' i Jesoa na Jesosy ity filazantsara ity, sady ahitana ny "famantarana" fito izay nahatratra ny fara tampony amin' ny nananganana an' i Lazarôsy na Lazara (m mialoha ny fitsanganan' i Jesoa amin' ny maty) sy ny lahateny fito ahitana ny teny hoe "Izaho no ..." (grika: ἐγώ εἰμι / egô eimi) (misahirana momba ny adihevitra mahakasika ny fifandraisan' ny fiangonana sy ny sinagôga tamin' fotoana nanoratana an' ilay evanjely)[1] izay niafara amin' ny fanambaràn' i Tômasy an' i Jesosy nitsangana tamin' ny maty hoe "Tompoko sy Andriamanitro"[2][3]. Milaza ny tanjony ny andininy famaranana ilay filazantsara: "fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak' Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin' ny anarany, raha mino ianareo." (Jao 20:31, Ny Baiboly)[4].
Tonga amin' ny endrika farany ahalalana azy ankehitriny ny Filazantsaran' i Jaona teo amin' ny taona 90–110 taor. J.K.[5], na dia misy ao aminy aza ny famantarana ny fiaviany izay nanomboka tamin' ny taona 70 taor. J.K. ary mety ho taloha kokoa aza[6]. Sahala amin' ny filazantsara telo hafa dia tsy mitonona anarana ny mpanoratra azy, na dia manondro ny "mpianatra tian' i Jesoa" tsy fantatra anarana ho loharanon' ilay lovantsofina aza izy io[7]. Azo inoana fa nipoitra tao anatin' ny "kristianisma jôhanika" na "sekoly jôhanika" izany[8], ary - satria mifandray akaiky amin' ny fomba sy ny vontoatin' ny epistily jôhanika telo ity filazantsara ity - ny ankamaroan' ny manam-pahaizana dia mihevitra ireo boky efatra ireo, miaraka amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy, ho fitambarana literatiora jôhanika, na dia tsy avy amin' ny mpanoratra iray ihany aza izy rehetra ireo[9].
Mandresy lahatra ny mpamaky azy ny mpanoratra fa i Jesoa na Jesosy no Mesia nadrasan' i Israely, dia ny Zanak' Andriamanitra avy ho Mpamonjy izao tontolo izao (Joa. 4:42). Nizara roa ny mpihaino azy, tmin' ny fisehoan' i Jesoa voalohany imasom-bahoaka: ao ireo izay nanaraka azy ary ao koa ireo izay nimenomenona sy nanohitra azy (Joa. toko 1 - 4) noho izy nilaza ny tenany fa nirahina mba hanambara ny zavatra hitany teo amin' Andriamanitra (Joa. 3:32). Milaza ny tenany ho "fiainana" sy "fahazavana" manafaka amin' ny haizina ary "fahamarinana" manafaka amin' ny lainga izy: izy tenany no Tompo. Eo am-pandrenesana izany rehetra izany dia nanameloka azy ny ankabetsahan' ny olona nefa tsy vitsy koa ireo izay natoky an' ity Mpitondra hafatra ity: "Tompo ô, hankany amin' iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin' ny fiainana mandrakizay." (Joa. 6:68, Ny Baiboly).
Niafara amin' ny fitsarana sy famonoana an' i Jesoa izany fifanoherana sesilany nandritra ny telo taona nifaneraserany tamin' ny vahoaka izany (Joa. 13 - 19). Nefa natsangan' Andriamanitra ho velona mandrakizay izy. Izany no manaporofo fa ny teny rehetra noteneniny dia marina daholo. Izany no nahatonga an' i Tômasy (na Tômà) ho resy lahatra ka nanao hoe: "Tompoko sy Andriamanitro" (Joa. 20:28). Manasa ny mpamaky azy mba hanao sahala amin' i Tômasy koa ny mpanoratra ilay evanjely fahefatra, satria hoy izy: "fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak' Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin' ny anarany, raha mino ianareo." (Jao. 20:31, Ny Baiboly).
Ny hoe Filazantsara araka an' i Jaona, na Evanjely araka an' i Joany, dia fanagasiana ny teny grika hoe Kατὰ Ἰωάννην εὐαγγέλιον / Kata Iōánnēn euangélion na Εὐαγγέλιον κατὰ Ἰωάννην / Euangélion katà Iōánnēn. Amin' ny teny latina dia Evangelium secundum Ioannem no iantsoana azy.
Miantso azy hoe Evanjely araka an' i Masindahy Joany na Evanjely nosoratan' i Masindahy Joany ny Katôlika malagasy. Vaovao Mahafaly araka an' i Joany (na Jaona) na Vaovao Mahafaly nosoratan' i Joany (na Jaona) koa no azo iantsoana azy. Ny Prôtestanta malagasy kosa manao hoe Filazantsara araka an' i Jaona na Filazantsara nosoratan' i Jaona.
Na ny anaran' ny mpanoratra na ny anaran' i Joany apôstôly (na Jaona apôstôly), izay mpianatra manana ny maha izy azy ao amin' ny evanjely sinôptika telo sy ao amin' ny Asan' ny Apôstôly, dia tsy voaresaka ao amin' ity evanjely fahefatra ity. Any amin' ny famaranan-teny (toko faha-21) ny mpanoratra vao miresaka ny amin' ilay "mpianatra tiany indrindra" izay lazain' ny lovantsofina fa nanoratra ilay evanjely[10]. Tamin' ny taonjato faha-2 dia niely ny filazana ny Evanjely fahefatra izay natao hoe "Evanjely nosoratan' i Joany" (na Filazantsara nosoratan' i Jaona")[3]. Nanomboka amin' izany fotoana izany dia i Joany na Jaona no heverina ho nanoratra ny Evanjely fahefatra. Tsy iza izany fa i Joany Apôstôly, ilay atao hoe "zanak' i Zebedio" (na zanak' i Zebedeo). Ny mpikaroka ara-tantara sasany dia manasokajy an' io evanjely io ho pseodepigrafa.
Voasoatra taorian' ny evanjely sinôptika telo ny Evanjelin' i Joany[11]. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 80 sy 110 no nanoratana azy.
Tsy dia misy ny zavatra azo iankinana hahafantarana ny toerana nanoratana voalohany ny Filazantsaran' i Jaona. Maro ny mpikaroka izay miankina amin' ny filazan' ny Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy) izay misafidy ny faritr' i Efesôsy (na Efeso na Efezy) ao amin' ny faritany fehezin' ny Rômana any Azia (andrefan' i Torkia ankehitriny)[12], araka ny lovantsofina[13].
Ny ankamaroan' ny manam-pahaizana dia mahita fizaràna efatra ao amin' ny Evanjelin' i Joany: fitarihan-teny (1:1-8); fitantarana ny asa fanompoana nataon' i Jesosy, atao hoe "Bokin' ny famantarana" (1:19-12:50); fitantarana ny alina farany teo amin' i Jesosy sy ny mpianany, ny fijaliany, ny fitsanganany amin' ny maty, izay atao hoe "Bokin' ny voninahitra" (13:1-20:31); ary famaranan-teny (toko faha-21).
Ny fitarihan-teny dia manambara amin' ny mpamaky hoe iza marina i Jesoa na i Jesosy: izy no Tenin' Andriamanitra izay nenti-namorona izao tontolo izao sady tonga nofo[7]. Mitantara toy izao ny ao amin' ny Joany 1:10-12: tonga tao amin' azy [ny Jiosy na Jody] Izy fa ny azy tsy nandray Azy, nefa "izay rehetra nandray Azy [ny mpino kristiana], izay nino ny Anarany, dia nomeny hery ka tonga zanak' Andriamanitra"[8] (Jaona 1:10-12, Ny Baiboly).
Natao batisa na batemy i Jesoa sy niantso ny mpianany ary nanomboka ny asa fanompoany eto an-tany[14]. Nandeha nitety tanàna izy mba hanambara amin' ny mpihaino azy ny amin' Andriamanitra Ray, mba hanome ny fiainana mandrakizay ho an' izay rehetra vonona ny hino azy ary nanatanteraka fahagagana izay "famantarana" ny fahamarinan' ny fampianarany (39-40). Izany dia niteraka tsy fifankahazoana teo aminy sy ny mpitondra fivavahana (izay efa niseho lany manomboka eo amin' ny Joa. 5:17-18), izay nanapa-kevitra ny hamono azy[14].
Nanomana ny mpianany amin' ny fiainan' izy ireo hoavy amin' ny tsy haha eto an-tany azo tsapain-tanana intsony azy i Jesoa na Jesosy ka nivavaka ho azy ireo sy ho an' ny tenany koa. Fanomanana ny mpamaky hiatrika ny tantaran' ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany amin' ny maty izany. Mifarana amin' ny famaranana ny amin' ny tanjon' ilay Vaovao Mahafaly izany: "mba hinoanana fa i Jesosy no Kristy, Zanak' Andriamanitra sady mba hinoana fa hanana ny fiainana amin' ny anarany"[15].
Ny toko faha-21 dia mitantara ny fisehoan' i Jesoa taorian' ny fitsanganany ho velona tamin' ny mpianany tao Galilea na Galilia, ny jono mahagaga, ny famerenana indray an' i Petera na Piera amin' ny toerany ary ny anjaran' ilay mpianatra tian' i Jesoa indrindra[15].
26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. 27 Ary hoy Izy tamin' i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin' ny lanivoako; ary aza ho isan' izay tsy mino, fa minoa. 28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! (Jaona 20.26-28, Ny Baiboly).
4 Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin' izay halehako. 5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin' ny Ray, afa-tsy amin' ny alalako. 7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin' izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. 8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. 9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin' ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin' ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. (Jaona 14.5-11, Ny Baiboly)
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.