Asiria
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Asiria na Asoria dia faritra ao amin' ny tapany avaratr' i Mesôpôtamia tamin' ny Andro Taloha. Atao hoe Asiriana ny vahoaka nonina tamin' io faritra io. Avy amin' ny anaran' ny tanànan' i Asora izay anaran' ny andriamanitra mpiaro azy koa, ny anaran'io faritra io.

Avy tamin' izany faritra izany no nipoiran' ny fanjakana matanjaka tamin' ny taonarivo faha-2 izay nanjary empira taty aoriana. Tamin' ny taonjato faha-8 sy faha-7 tal. J.K. dia nifehy ny faritra izay nivelatra saika manerana ny firenena maro ankehitriny, toa an' i Iràka, i Siria, i Libàna (na Libanona), i Torkia ary i Iràna, i Asiria.
I Asiria dia fantatra koa indraindray amin' ny anarana hoe Sobarto (Subartu) sy Azohinoma (Azuhinum) talohan' ny nanorenana ny tananan' i Asora (Ashur), taorian' izay dia natao hoe koa Asoraio (Aššūrāyu) izy.
Jereo koa
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.