Sinoa eto Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Sinoa eto Madagasikara dia Sinoa mpiavy eto Madagasikara izay laharana fahatelo ao amin' ny fianakaviamben' ny zanaka am-pielezana sinoa, ka teo anelanelan' ny 70 000 sy 100 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2011 eto amin' ny Nosy[1] [2]. Miteny sinoa mandarina sy sinoa kantôney ary malagasy sy frantsay ny Sinoa eto Madagasikara. Nandalo tao Maorisy aloha izy ireo vao izay tonga teto Madagasikara.