![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/77/Idioma_mandar%25C3%25ADn.png/640px-Idioma_mandar%25C3%25ADn.png&w=640&q=50)
Fiteny mandarina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny mandarina (amin' ny teny sinoa 官話), izay tsorina indraindray amin' ny hoe "fiteny sinoa", dia iray amin' ireo karazam-piteny sinoa tenenina ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Sina an-tanibe. Ny fiteny mandarina no be mpiteny indrindra maneran-tany. Soratana amin' ny alalan' ny soratra sinoa (sinôgrama) sy ny abidy latina (piniiny) ary amin' ny alalan' ny bopomofo koa ny fiteny mandarina.
Mandarina 官話 na 官话 (guānhuà) | |
Isan'ny mpiteny | 1,3 miliara |
Faritany | teny ofisialy any ![]() ![]() ![]() |
Sata | anisan'ny teny ofisialin'ny Firenena Mikambana |
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/77/Idioma_mandar%C3%ADn.png/320px-Idioma_mandar%C3%ADn.png)
Noho io fiteny io ampiasaina ho fitenin' ny fanabeazana dia heverina fa eo amin' ny 1 300 000 000 eo ho eo no mahay miteny azy ankehitriny. 800 000 000 eo ho eo no Sinoa manana io fiteny io ho teny nibeazana (fiteny voalohany nianarany).
Ianaran' ny Sinoa rehetra ny fiteny mandarina nefa misy ny Sinoa zokinjokiny sasany izay tsy miteny mandarina fa miteny amin' ny fiteny sinoa hafa toy ny fiteny kantôney. Misy fianakaviambe sinoa any ivelan' i Sina izay mampiasa ny fiteny mandarina ampianarina amin' ny lisea sy oneversite maro manerana izao tontolo izao.