From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny kantôney (amin' ny fiteny sinoa mandarina ary kantôney: 粤语 (sinôgrama nentindrazana), 粵語 (sinôgrama notsorina, tononina hoe Yuè yǔ amin' ny fiteny manadarina ary Jyut6 jyu5) dia fiteny sinoa tenenina any amin' ny tapany atsimon' i Sina, ao amin' ny faritan' i Guangdong, i Guanxi any Hong Kong ary any Macao.
Samihafa amin' ny fiteny sinoa mandarina ny fiteny kantôney ary betsaka noho ny fahasamihafan' ny fiteny espaniôla sy ny fiteny frantsay ny fahasamihafan' ny fiteny kantôney sy ny fiteny mandarina. Mora mifankahazo ihany anefa ny mpiteny mandarina sy ny mpiteny kantôney amin' ny fiteny an-tsoratra, noho ny sinôgrama mitovy.
Ny mahasamihafa ny fiteny kantôney amin' ny fiteny mandarina amin' ny lafiny fanononana, dia ny fiteny kantôney manana haabom-peo sivy (efatra ny haabom-peo ampiasain' ny fiteny mandarina), izany hoe misy fomba sivy samihafa ny hanononana vaninteny iray, ary samihafa ny zavatra tenenina arakarak' izay haabom-peo izay. Sady matetika mifarana amina renifeo ny vanintenin' ny teny kantôney sady betsaka noho ny amn' ny teny mandarina ireo renifeo mahazo mamarana vaninteny (-p, -m, -n, -ng, -k, -t), nefa amin' ny fiteny mandarina dia roa fotsiny no isan' ireo renifeo mahazo mamarana vaninteny (-n, -ng).
Soratana amin' ny alalan' ny sinôgrama ny fiteny kantoney, ary maromaro amin' ireo sinôgrama ampiasainy ireo no tsy miasa na tsy hita intsony amin' ny fiteny mandarina (afaka manonona azy na tsy dia mampiasa azy firy). Ohatra (dikan-tsoratra jyutping)
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.