Empira Sasanida
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Empira Sasanida na Empira Sasaniana dia empira notapahin' ny mpanjaka tao amin' ny fianakaviana ato hoe Sasanida izay fianakavia-mpanjaka persiana nanapaka tao amin' ny Tontolo Iraniana tamin' ny taona 224 hatramin' ny taona 651 nidiran' ny Mozilmàna tao. Izany vanimpotoana izany no andro volamena teo amin' io faritra io, na amin' ny zavakanto izany na ara-pôlitika na ara-pivavahana.
Tamin' ny andron' ny Empira Rômana sy ny Empira Bizantina dia anisan' ny empira natanjaka tao Azia Andrefana ny Empira Sasanida nandritra ny efajato taona. I Ardasira I, izay nandresy an' i Artabàna IV mpanjaka partiana arsakida farany, no nanorina ny dinastia sasanida, ka tsy nifarana izany raha tsy tamin' ny faharesen'ny "mpanjakan' ny mpanjaka" (emperora) farany atao hoe Iazdgarda III (taona 632-651). Ity farany, taorian' ny efatra ambin' ny folo taona niadiana, dia tsy afaka nisakana ny fandrosoan' ny fakana tany nataon' ny kalifata arabo, izay empira silamo voalohany.
Ireto avy ireo faritra voafaoka tao anatin' ny tanin' ny Empira Sasanida tamin' izany fotoana izany: ny faritra mahafaoka an' i Iràna sy i Iràka ary i Armenia ankehitriny, ny tapany atsimo amin' i Kaokazy (Transkaokazia), isan' izany ny tapay atsimo amin' i Dagestàna, ny faritra atsimo-andrefana amin' i Azia Afovoany , ny faritra andrefana amin' i Afganistàna ary ampahan-tanin' i Torkia (Anatolia) sy an' i Siria ankehitriny, ampahany amin' ny morontsiraky ny Saikanosin' i Arabia, ny faritry ny Hoala Persika ary apahany maro amin' ny faritra andrefana amin' i Pakistàna. Niantso ny empirany hoe Eranshahr, izay midika hoe "Empira Iraniana" na "Empiran' ny Ariana" ny Sasanida.
Heverin' ny mpahay tantara ho vanimpotoana anisan' ny manan-danja indrindra teo amin' ny tantaran' i Iràna ny Sasanida. Amin' ny lafiny maro dia izany vanimpotoana izany no fahatanterahana fara tampon' ny sivilizasiôna persiana, ary io no empira iraniana lehibe farany talohan' ny fakana tany nataon' ny Mozilmàna tao Persia sy talohan' ny fandraisan' ny mponina tao ny fivavahana mozilmàna. Ny fiantraikan' ny kolontsain' ny Sasanida dia niely hatrany ivelan' ny fizaran-tanin' ilay empira, ka nahatratra an' i Eorôpa Andrefana, an' i Afrika, an' i Sina sy an' i India, sady nandray anjara teo amin' ny fiforonan' ny zavakanto eorôpeana sy aziatika tamin' ny Andro Antenatenany. Ny faninteraky ny sivilizasiôna islamika dia hita taratra nanomboka tamin' ny fakàn' ny Mozilmàna an' i Iràna.