![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/31/Caucasus_regions_map2.svg/langmg-640px-Caucasus_regions_map2.svg.png&w=640&q=50)
Transkaokazia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Transkaokazia na Kaokazy Atsimo dia faritra ara-jeôgrafia ao amin' ny tapany atsimon' i Kaokazy, ahitana an' i Jeôrjia sy i Armenia ary i Azerbaijana. Mamaritra azy avy ao avaratra i Siskaokazia na Kaokazy Avaratra (fitambarana repoblika ara-poko ao amin' ny Federasiônan' i Rosia ankehitriny), ny mpifanolo-bodirindrina aminy ao atsimo dia i Torkia sy i Iràna, ary manamorona azy ao andrefana ny Ranomasina Mainty ary ao atsinanana ny Ranomasina Kaspiana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/31/Caucasus_regions_map2.svg/640px-Caucasus_regions_map2.svg.png)
Nanomboka tamin' ny faran' ny taompolo 1980, ity faritra ity dia nitrangan' ny fifandonana teo amin' ny samy foko, indrindra fa tao amin' ny ôblasta mizaka tenan' i Karabaga Ambony teo amin' ny Armeniana sy ny Azery na Azerbaijaney, ary tany Abkazia sy i Ôsetia Atsimo (repoblika roa mpisara-bazana amin' i Jeôrjia, izay ahitana ny tafika rosiana, indrindra tamin' ny taona 2008).
Ny fanjakana ao Transkaokazia dia manakaiky kokoa ny Vondrona Eorôpeana tamin' ny nanatevenany ny Filankevitr' i Eorôpa tany am-piandohan' ny taompolo 2000. Tamin' ny taona 2005 ny Filankevitry ny Vondrona Eorôpeana dia nanapa-kevitra fa ilaina ny mampiditra azy ireo farafaharatsiny ao amin' ny Pôlitika Eorôpeana momba ny mpifanolo-bodirindrina.