Persia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Persia na Persa dia faritra tany Atsinanana-Akaiky, teo anelanelan' ny Ranomasina Kaspiana sy ny Helodrano Persika, ary mifanandrify amin' i Iràna ankehitriny. Ny mponina tao no atao hoe Persiana na Persa. Tamin' ny taona 1935 i Persia dia novana anarana ho Iràna. Maro ny fanjakan-dehibe (empira]) nifandimby tao Persia hatramin' ny an' i Mediana (na Meda) ka hatramin' ny an' ny Persiana. Nahatratra ny fara tampon' ny lazany i Persia tamin' ny fanapahan' ny Akemenida.
Ireto ny fanjakana sy ny fianakaviana nanjaka nalaza tamin' ny fanapahana an' i Persia:
- Empira Akemenida (550-330 tal. J.K.)
- Empira Seleokida (330-124 tal. J.K.)
- Fanjakan' ny Arsakida (247 tal. J.K - 224 taor. J.K.)
- Empira Sasanida (224-651 taor. J.K.)
- Empira Safavida (1501-1736 taor. J.K.)
- Dinastia Afsarida (1736-1796 taor. J.K.)
- Dinastia Zanda (1751-1794 taor. J.K.)
- Dinastia Kajara (1785-1925 taor. J.K.)