Sôngay (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Sôngay dia vahoaka amin' ny sahan' ny ony Niger mivelona indrindra amin' ny asa tany sy ny asa tanana. Izy ireo dia vondrom-poko lehibe ao Maly sy ao Nizera ary any amin' ny tapany avaratr' i Benîno. Ahitana azy ireo ihany koa ny ao Nizerià sy ao Borkina Fasô. Vahoaka vokatry ny fifangaroam-poko ny Sôngay: Malinke, Folany, Toarega ary Gormantse, fifangaroana nitranga nandritra ny taonjato maro. Ara-kolontsaina dia tena akaiky ny Toarega izy ireo fa indrindra ny Zarma sy Dendy izay mitovy fiteny aminy. Ny fiteny sôngay (ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana) no fiteniny.
Miisa any amin' ny 9 452 000 izy ireo ka toy izao ny fitsinjarany isam-pirenena: any Maly misy 1 940 000, any Benîno misy 406 000, any Nizera misy 5 106 000, any Nizerià misy 1 200 000, any Borkina Fasô misy 300 000, ary any Ganà misy 8 500.
Atao hoe Sôngay, Songôy, Sôngôy, Sôngray, na Sônray koa izy ireo.
Ny Sôngay dia mponina tranainy tany Afrika Andrefana. Nanana ny lazany tamin' ny faran' ny taonjato faha-15 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-16 ny Empira Sôngay.